Fitantanana ny antontanisa : hanamafisana ny fahaiza-manao ny Statcap II

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy omaly, tetsy Ankorondrano, ny tetikasa Statcap II. Tafiditra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny mpamatsy vola, hanatsarana ny tontolon’ny antontanisa.

Nambaran’ny tale jeneralin’ny Ivontoeram-pirenena momba ny antontanisa (Instat), i Ndremitsara Tarzan, fa natao hanamafisana ny fahaiza-manao ity tetikasa ity. Anisan’izany ny momba ny fandrindrana ny antontanisa mba hitovy fomba fijery ny rehetra. Eo koa ny vokatra azo taorian’ny fanadihadiana mo­mba izany. “Ao anatin’izany ny tsy fahampian’ny injeniera analystes ho an’ny antontanisa”, hoy izy. Manampy ireo ny fifehezana amin’ny fahazoana antontan-kevitra. Nambarany koa fa eo ny fitantanana ny tetikasa eo anivon’ny Instat ka tafiditra ao anatin’ny fanjakana tsara tantana sy ny mangaraharaha izany.
Etsy andaniny, asa mitohy eo anivon’ny Instat ny fiofanana. Asa mivaingana efa vita kosa ny fanisana ny tokantrano ahafahana manana tahirin-kevitra manoloana ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) sy ny fampiharana izany. “Jerena amin’izany ny hoe hatraiza isika izao ? Betsaka ny asa miandry fa anisan’ny laharam-pahamehana ny fanentanana sy ny fanamafisana ny fahaiza-manao ary ny fiaraha-miasa amin’ny minisitera”, hoy izy.
Sosialy sy ny fambolena
Ho avy koa ny fanisana momba ny antontanisa ho an’ny sosialy sy ny fambolena. Nanteriny fa hampiasaina ny antontanisa ahafahana mandray fanapahan-kevitra eto amin’ny firenena. Ilaina kalitao anefa izany, araka ny nambarany hatrany.
Tsiahivina fa tanjona amin’izao fampahafantarana ny tetikasa izao ny fanatsarana ny fomba fiasa eo anivon’ny Sadc sy ireo firenena mandray anjara mba hahazoana vokatra tsara.

Synèse R. sy Fanou

Partager sur: