Nizara kojakojam-pianarana 5 500 eo ho eo ho an’ny mpianatry ny EPP 30 mahery, ao anatin’ny distrika Moramanga, Brickaville ary Toamasina I sy II, ny orinasa Ambatovy. Ho fanamaivanana ny vola lanin’ny ray aman-dreny amin’ny fampianarana ny zanany ho amin’ny taom-pianarana 2023-2024 no tanjona .
Ny fahasalamana manakaiky vahoaka no hoentina hanamarihana ny andron’ny 8 marsa, amin’ny alalan’ny ‘caravane médicale”, “Sarobidy n’y Aiko”, izay handalo amin’ny faritra Analamanga, Atsinanana ary Analanjirofo. Hetsika hotarihin’ny vadin’ny filohan’ny Repoblika sady mpanorina ny fikambanana Fitia, Rajoelina Mialy.
Vita ny fiandohan’ny herinandro teo ny fifamindram-pahefana teo amin’ny sekretera mpanatanteraky ny birao nasionaly miady amin’ny famarinan’olona, teo aloha, Ratrimosoa Oly, sy Ramahandrisoa Eric, sekretera mpanatanteraka vaovao. Naneho fahavononana amin’ny fanohizana sy fanatsarana ny asa ny tomponandraikitra vaovao.
Nanao fanentanana amina atrikasa ho an’ny ankizy manana fahasembanana ny Fondation H sy ny fikambanana Ank’izy. Atrikasa ahafahan’ny tanora mivelatra amin’ny fitomboana ara-tsaina ary hahaizan’izy ireo mandrandrana. Ao anatin’ny efa-bolana, hotanterahina amin’ny sekolim-panjakana ny atrikasa hametrahana ny fampihatiana.