Hiezaka ny ho eo avokoa ny mpikambana ao amin’ny tarika. Izay no fikasana amin’ny “cabaret” izay hotontosain’ny tarika Tselatra ny zoma 1 marsa izao, eny amin’ny Madagascar Espace By Pass Ambohimangakely, manomboka amin’ny 9 ora alina. Seho faramparany mialoha ny hiverenan’i Eric any ivelany izy ity, raha ny fanazavana. Efa tamin’ny volana septambra mantsy ity lehiben’ny tarika ity no teto an-tanindrazana, ka tsy maintsy mitodi-doha miverina aloha. Tsy hisy, araka izany, ny fampisheoana goavana amin’ity, fa nosoloina ireo “cabarets” izay mampifanantona kokoa ny mpanakanto sy ny mpankafy ireo izany.
Hira 30 eo ho eo no homanin’ny tarika hozaraina amin’ny mpankafy, amin’io fotoana io. Ireo hira nampalaza ny tarika, mazava loatra, hiampy ampahany amin’ireo hira vaovao. Anisan’ny anton-dian’i Eric mantsy ny fandraisam-peo ireo hira vaovao, izay mahatratra any amin’ny 20 any. Hira miresaka lohahevitra maro, manodidina indrindra ny zava-misy iainan’ny Malagasy eto Madagasikara. Mbola eo am-pijerena ny fomba hamoahana azy kosa i Eric Tselatra, raha ny fanazavana.
Zo ny Aina