Tany amin’ny taom-pahazazany Ramiandrisoa Jalèma Monico no efa tia mozika sy mitendry zavamaneno ary mamoron-kira. Ankehitriny, tapa-kevitra ny hanokana manontolo ny talentany izay nampiany fandalinana mozika ho amin’ny fiderana ny Ray izy. Ankoatry ny maha mpamorona, mpandrindra ary mpitendry vatamaroafitsoka an’i Jalèma any am-piangonana, mahay mihira sy mikirakira feo amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitaovana manaraka ny fivoaran’ny teknolojia avo lenta ihany koa izy.
Mirona amin’ny fiangaliana mozika tropikaly izy, hamoahany ny hira evanjelika. Anisan’ny gadona lalaoviny ny salegy, ny « sud’af », ny « reggae », ny « zouk love », ny sega, sns. Manao fikarohana amin’ny fampiarahana ny mozika mihetsika amin’ny gadona hafa ahafahana manajary kanto vaovao sy mendrika ny sehatry ny fiderana an’Andriamanitra ravahana dihy ihany koa i Jalèma. « Nofidiko manokana ny mozika mihetsika ahafahana manamora ny fitarihana ireo tanora nania mba hiditra am-balan’ny Tompo indray », hoy izy.
Ampahany amin’ireo sanganasany ny « Izaho hanaraka Anao », « Mifona », « Izy miady ho Anay ». Hanamarika ny fidiran’i Jalèma anatin’ny sehatra maha matihanina amin’ny fikirakirana ny hira evanjelika ny hisian’ny fampiaraham-peo eo aminy sy ilay mpanakanto andrarezin’ny filalaovana ny mozika tropikaly eto Madagasikara. Hivoaka mialoha ny Paka ity fampiaraham-peo ity.
Nanangona : HaRy Razafindrakoto