Anisan’ny fanambin’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa ao anaty 100 andro ny hanomezana vatsim-pianarana ny mpianatra ara-potoana.
Nidina ifotony teny amin’ny CIDST Tsimbazaza, nijery ny fizotry ny asa ny minisitra, ny fiandohan’ny herinandro teo. Hita fa miasa andro aman’alina ireo tomponandraikitra mamita ny dingana tokony harahina rehetra.
Ny fikirakirana ny rindrambaiko “Edutic” no hifandrimbonan’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa sy ny minisiteran’ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra ary ny haitao ara-kajy mirindra. Nanatrika ny fanaraha-maso ireo sekretera jeneralin’ny minisitera roa tonta voakasika. Tafiditra ao anatiny ny fikarakarana ny fampidirana ireo antontan-kevitra sy antotanisa avy any amin’ireo oniversite tsirairay, ny fandrafetana ny lisitra farany, ny famoahana ny tetiandro ary ny fandoavam-bola.
Ankoatra izay, mbola hiarahana miasa akaiky amin’ireo oniversite ny fijerena ny olana misy hampizotra tsara ny asa sy ny tsy hisian’ny fanamarihana (réclamation) avy amin’ny mpianatra intsony. Niteraka fimenomenomana teo amin’ny mpianatra vokatry ny fandoavana ny vatsim-pianarana amin’ny karatra eletronika (e-poketra) alaina eny amin’ny biraon’ny paositra. Betsaka ireo nahatsapa fa tsy tafiditra tao ny anarany nefa tokony ho nisitraka izany.
Ho an’ity taom-pianarana ity, nentanina ireo mpianatra hanamarina tsara fa voasoratra anarana ho anisan’ny mpianatra amin’ny lalampiofanana nosafidiany, miainga avy amin’ io lisitra io ny fanomezana vatsim-pianarana, hoy ny solontenan’ny mpianatra eny amin’ ny oniversiten’Antananarivo.
Ho an’ny trano vaovao fonenan’ny mpianatra, efa vita ny lanonana fitsofan-drano ny “cité R+1”. Miisa roa ireo trano vaovao ireo eny Ankatso II, mahazaka mpianatra 320 (lahy sy vavy).
Vonjy