Ho vita ao anatin’ny dimy andro ny fikirakirana ny antontan-taratasy ho an’ireo teratany vahiny manao fangatahana asa eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny e-work. Tafiditra ao anatin’ny Vovonan’ny haitao ara-kajy mirindran’ny Economic Development Board of Madagascar (EDBM) ny e-work. Araka izany,hampihena ny fivezivezena sy ny fotoana lany, indrindra ho an’ny sehatra tsy miankina, ny fampiasana ity vovonana ity ary heverina hanatsara ny tontolon’ny asa eto Madagasikara. “Vita ao anatin’ny herinandro avokoa ny fikirakirana ireo antontan-taratasy ho an’ireo mangataka izany raha toa ka telo herinandro izany teo aloha”, hoy ny fanazavan’ny tale jeneralin’ny EDBM, Rafidy Josielle, nandritra ny fanolorana tamin’ny fomba ofisialy ny e-work tetsy Antaninarenina, omaly. Azo arahana mivantana sy hamarinina ihany koa ny dosie napetraka.
Fahalalana
Anisan’ny “fepetra takin’i Madagasikara amin’ny fanafarana teratany vahiny hiasa eto amintsika ny fizaràny ny fahaiza-manaony sy ny traikefany”, hoy ny minisitry ny Asa sy ny fampanan’asa ary ny fampandehanan-draharaham-panjakana (MTEFoP), Razakaboana Hanitra Fitiavana. Nambarany fa manodidina ny 2 600 isan-taona ny fanomezan-dalana avokan’ny EDBM, amin’ny alalan’ny fampiasana ny “guichet unique”, raha toa ka manodidina ny 3 000 ny fangatahana asa voaray avy amin’ny teratany vahiny. Voafaritra ao anatin’ny lalànan’ny fampiasam-bola fa 20% ireo teratany vahiny afaka miasa amina orinasa eto Madagasikara. Nilaza izy fa roa taona eo kosa ny fe-potoana hiasan’ireo teratany vahiny eto amintsika.
Henintsoa H.