SOMBIM-BAOVAO

Notanterahina omaly, teny amin’ny Palais de Sport Mahamasina, ny lalao ampahefa-dalan’ny fifaninanana CCZone 7, taranja Volley-Ball, sokajy lahy sy vavy. Raha ho an’ny lehilahy, nihintsana teo amin’ity dingana ity ny Club Volley-ball Farafangana. Resin’ny St Denis Olympique Volley-ball, tamin’ny seta 3 no ho 0 (25,20/25,11/26,24) izy ireo.

Hotontosaina any Accra Ghana, ny 7-23 marsa ho avy izao, ny “lalao Afrikanina 2024”, andiany faha-13. Anisan’ireo Malagasy mpitsara baolina kitra ho mpi­tsara mpanampy amin’ity fifaninanana ity, Ibenantenaina Romuald Brudo. Tsara marihina fa izy irery no avy aty amin’ny ranomasimbe Indiana hitsara ity lalao Afrikanina ity.

Taorian’ny andro faharoan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Itasy, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy, natao ny faran’ny herinandro lasa teo, mipetraka eo amin’ny laharana voalohany ny ekipan’ny FFCA. Tsara marihina fa natao tamin’io fotoana io ihany koa ny andro fahadimin’ny sokajy lehilahy.

Hatao eny Ambohidava Antananarivo, ny 3 marsa ho avy izao, ny dingana fahatelon’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja Motocross. Tsara ny mampahafantatra fa mbola eo amin’ny laharana voalohany i Mathias Plantive, tompondaka farany teo, amin’ity fifanintsanana nasionaly ity.

Partager sur: