Nomena vahana ny vehivavy marefo sy mamelon-tena irery ao Toamasina amin’ny fanofanana faobe amin’ny fanjairana, karakarain’ny minisiteran’ny Fampianarana tekinika sy ny fanofanana arakasa. Natomboka ny alatsinainy lasa teo, tany an-toerana, ny fanofanana niarahana amin’ny minisitra Rakotondrazafy Lalatiana. Miisa 140 ireo vehivavy manaraka ity fiofanana ity satria voafetra ny toerana. Hizara andiany telo,ka mandritra ny 10 andro no hanaovana ny fiofanana, ary hizarana “kit de démarrage”, toy ny fitaovana fanjairana, izy ireo ahafahany manomboka ny asa avy hatrany.
Nambaran’ny minisitra fa ireo vehivavy nofanina, manana ny fanamarinana fahavitam-piofanana, no hanjaitra ireo aron’akanjo miisa 3 tapitrisa iarahana amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, tafiditra ao anatin’ny tetikasan’ny filohan’ny Repoblika.
Tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny filoha ny fitsinjovana manokana ny vehivavy marefo sy mamelon-tena irery. Tanjona ny hahatonga azy ireo hahavelon-tena sy tsy hiankindoha amin’ny hafa.
Ankoatra izay, nanamafy ny minisitra fa tokony ho ny “vehivavintsika no hampiana hivoatra”, mahatonga ny minisitera hanao ny fampiofanana faobe manokana ho an’ny vehivavy izao.
Vonjy