Toetry ny andro: ahina ny fiforonan’ ny rivodoza

Nilaza ny mpamantatra ny toetry ny andro etsy Ampandrianomby fa ahina ny mety hisian’ny fiforonana andro ratsy ao amin’ny ranomasimbe Indianina, amin’ny faran’ny herinandro.
Ambany amin’ny ankapobeny ny tsindrin’ny habaka eto amin’ny Nosy, ao anatin’ny efatra andro ho avy. Hahazo vahana kosa ny varatraza aorian’izay.
Hanorana tandrifin-drahona mety harahin-kotroka saika manerana ny Nosy ny tolakandro sy ny takariva. Tombanana hiverina maina kosa ny andro ho an’ny afovoantany sy ny ilany atsinanan’ny Nosy, manomboka ny zoma.
Mahazo filazana fampitandremana miloko maitso ny distrika Betsiboka, Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Moramanga, Marolambo sy Nosibe an’Ala. Mihatra manomboka anio izany satria hanatombo ny rotsakorana, hahatratra 40mm hatramin’ny 90 mm izany ao anatin’ny 24 ora
Mety hitoetra hatrany koa ny orana tandrifin-drahona malefaka amin’ny toerana sasany any amin’ny ilany andrefan’ny Nosy.
Hisy fidinana ny maripana ambony ho an’ny afovoantany sy ny tapany atsimon’i Nosy ao anatin’ny telo andro ho avy. Hiverina hiakatra izany manomboka ny zoma.

Tatiana A

Partager sur: