VAOVAO TAMBATRA

Hapetraka ny drafitrasa FSCPP, hitsinjovana sy hanarenana ny takaitra navelan’ny loza voajanahary sy ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Nivory tao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ireo mpisehatra rehetra, miaraka amin’ny Banky iraisam-pirenena, omaly 27 febroary.

Miisa 3 000 ny zana-kazo nambolen’ny mpiasa miisa 1 050 ao amin’ny Foibem-pitondrana ankapo­beny ny hetra, ny 23 febroary teo, teny Ambatomira­havavy. Nisy koa ny fanaraha-maso sy fikojakojana ny hazo fihinam-boa efa voavoly tamin’ny taona 2023. Tanjona iombonana ny fandrakofana ala indray an’i Madagasikara.

Vonona hiara-hiasa amin’i Madagasikara i Turquie hampiroborobo ny toekarena manga. Manana ny fahaiza-manokana sy ho enti-manana izy ireo ka hijery ireo harena izay mbola azo trandrahina eto amintsika. Anisan’izany ny ressources au large, ireo ressources demersales, ary ireo ressources benthiques.

Vita ny 44%, dingana faharoa, fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Mbola hiara-hiasa amin’ny fanjakana japoney, amin’ny alalan’ny JICA, ny fanjakana malagasy amin’ny fampiroboroboana ny fitaterana an-dranomamy, fanatsarana ny fifamoivoizana an-tanety ary ny fifanakalozana amin’ny fitantanana ny zotra an-dalamby.

Partager sur: