67 ha : Vehivavy ny iray amin’ireo jiolahy tratra teo am-panendahana

Saron’ny polisin’ny UIR Tsaralalana teny 67 ha, afakomaly ireo jiolahy telo niaraka tamina vehivavy iray tompon’ antoka tamina fanendahana. Tokony ho tamin’ny 2 ora ma­raina tamin’io fotoana io, nifanehatra tamin’ireo polisy na­nao fisafoana nivoaka avy ana­ty elakela-trano ireto jiolahy ireto. Lehilahy iray nitondra moto hamonjy fodiana no nosakanan’izy efatra mianadahy ireto tao ambadiky ny tobin-dasantsy iray ao 67ha. Nohodidi­nin’izy ireo nataony afovoany ilay lehilahy nitondra moto. Misy ny nanakana teo aloha, nisy nibahana tao aoriana. Ny ambiny naka ny firavaka teny aminy. Lasan’izy ireo tamin’
izany ny firavaka volafotsy. Teny am-pandosirana ry zalahy no nifanehatra tamin’ny polisy ka noraisim-potsiny. Tratra teny amin’izy ireo avokoa ny firavaka avy norobainy.

J.C

Partager sur: