Mbola mampiady hevitra ny sasany ny amin’ny anto-bola firotsahan-kofidina ho depiote. Nakarin’ny governemanta ho 20 tapitrisa Ar izany, raha 10 tapitrisa Ar ny tolo-kevitry ny Ceni. Manazava ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava: “Tsy mamatotra ny governemanta ny tolo-kevitry ny Ceni momba ny anto-bola”. Dinidinika…
Gazety Taratra (*): Ahoana ny tolo-kevitry ny Ceni ny amin’ny anto-bola firotsahan-kofidina depiote nakarin’ny governemanta ho 20 tapitrisa Ar?
Andriamarotafika Soava (-): Mamatotra tolo-kevitra raha lazain’ny lalàna hoe tsy maintsy arahin’ny governemanta ny tolo-kevitry ny Ceni. Tolo-kevitra tsotra koa izany, raha malalaka ny fanaovana azy ary tsy arahina. Ny zava-misy amin’ny anto-bola firotsahan-kofidina dia tolo-kevitra tsotra. Ny governemanta no mahita izay antony tsy nitazonany ny tolo-kevitry ny Ceni.
* Hatramin’ny rahoviana ny fahazoana misoratra anarana amin’ny fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana?
– Ny 15 mey no lazain’ny lalàna hoe famaranana tanteraka izany. Tamin’ny 15 febroary no mitsahatra aloha ny fandraisana anarana eny anivon’ny fokontany hahazoany mampiakatra azy eny amin’ny rantsa-mangaikan’ny Ceni amin’ny distrika. Rehefa izay, mampiditra azy ao anatin’ny malina solosaina ny rantsamangaika eny amin’ny distrika sy manonta ny lisitry ny mpifidy ary mamerina azy eny amin’ny fokontany. Arakaraka ny fahatongavan’izay eny amin’ny fokontany no hanombohan’ny fanaovana fitsirihana. Izay nanavao fisoratana anarana no mijery raha tena tafiditra ao anaty lisitra izy na tsia, manamarina ny mombamomba azy. Azo atao koa ny manitsy ny mombamomba ny mpifidy diso tamin’ny fanavaozana tanteraka. Mbola afa-misoratra anarana ireo vao feno 18 taona ny 13 mey, ohatra, ary izay vao nahazo karapanondro. Azo raisina tsara izy amin’izany, fa ny 15 mey vao tena mifarana tanteraka ny lisitry ny mpifidy.
* Inona no andraikitry ny firaisamonina sivily sy ny antoko politika amin’izany?
– Manentana ny olona amin’izay fanavaozana ny lisitry ny mpifidy izay… Eo koa ny fanentana azy hanao fitsirihana, ny fanaovana fanaraha-maso ny lisitry ny mpifidy fa mety tsy hieritreritra afa-tsy ny tenany ny olom-pirenena tsotra. Ny firaisamonina sivily sy ny antoko politika no afa-manara-maso izay efa maty mbola voasoratra anarana, ohatra, na izay nifindra monina, na izay tokony ho tafiditra nefa tsy tafiditra…
Nangonin’i R. Nd.