Andron’ny sekoly : fotoana hanehoana firaisankina eo amin’ny mpianatra sy ny mpampianatra

Mbola ao anatin’ny fankalazana ny andron’ny se­koly ny tontolon’ny fampianarana eto Madagasi­kara amin’izao fotoana izao. Ma­ro ny hetsika nen­­tin’ny sekoly ankalazana iza­ny. Fotoana ha­nehoana firaisankina eo amin’ny samy mpianatra sy ny tomponandraikitry ny sekoly izany.

Nanomboka omaly ary hifarana ny 1 Martsa izao izany, araka ny tetiandro navoakan’ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena. Samy nanana ny fomba nankalazany azy avokoa ny sekoly tsirairay avy. Anisan’ny nibahana mandritra izany, ny fialamboly, fanadiovana, lalao ara-panatanjahantena, carnaval… “Nentina nanamafy ny firaisankinan’ny mpianatra sy ny fifandraisana eo amin’ny mpampianatra ny andron’ny sekoly”, hoy ny talen-tsekoly eo anivon’ny lycée St Jean Bosco Mangasoavina, Rave­lo­manampy Donat Hervé. Nilaza izy fa fampianarana ny ankizy hahay hikajy ny tontolo iainana sy ny tontolo manodinana azy ihany koa izany. “Misy akony goavana eo amin’ny mpianatra ny fankalazana ny andron’ny sekoly satria fotoana hialan’izy ireo voly ihany koa izany”, hoy hatrany izy. Tao anatin’ny fianarana foana ny ankizy hatramin’izay, rariny raha asina fialamboly kely tahaka izao. “Fotoana iray hanehoana ny firaisankina eo amin’ny samy mpianatra sy ny mpampianatra ary ny tomponandraikitra tsirairay eo anivon’ny sekoly ny andron’ny sekoly”, hoy kosa i Fenosoa, kilasy TD eo anivon’ity sekoly ity. Fotoana mampiala voly sy iatoana kely amin’ny fampianarana. Hitondra rivo-baovao ho an’ny mpianatra ihany koa mba hahafahana miatrika ny fianarana manaraka indray. Anisan’ny lahasa nataony nandritra izany, ny fanosorana savoka ny toeram-pianarana. “Fisitahana kely amin’ny ma­hazatra ny fahitako ny andron’ny sekoly”, hoy kosa ny mpianatra iray hafa, Toloja­nahary Sophie, mpianatra seconde B. Nambarany fa mampitombo ny fotoana fifampiresahana sy fifanakalozan-kevitra eo amin’ny samy mpianatra ihany koa izany.

Nahasarika ny maro ny diabe sy ny fanaovana fanamiana samihafa
Samy nanana ny fomba nankalazany azy ny sekoly tsirairay avy teto an-drenivohitra manokana. Anisan’ny nanamarika ny maro ny fanaovana diabe manerana ny tanàna sy ny sekoly izay nandraisan’ny mpianatra anjara. Mahakasika ny asa tian’ny mpianatra atao rehefa lehibe ny fanamiana nataon’izy ireo nandritra izany. Niaina sahady ny tanjona tiany hotratrarina any aoriana izy ireo. Maro ny misafidy ho lasa mpitsabo, ho mpitandro filaminana, ho mpahandro sakafo…“Ilaina ny maneho sy mamantatra ny asa tiana hatao rehefa lehibe dieny izao”, hoy ny mpampianatra iray eo anivon’ny sekoly iray hafa. Tanjona ny hamolavolana ny sain’ny ankizy dieny mbola kely mba tsy hananosarotra ny fanohizana ny fianarana any aoriana. Ho an’ny Lycée St Jean Bosco manokana, nentina nanadiovana ny sekoly, nanaovana lalao sy fifaninanana ara-panatanjahantena ary fiaraha-misakafo teo amin’ny mpianatra sy ny mpampianatra isan-dakilasy izany ny tapany maraina. Nofaranana tamin’ny hetsika ara-java-kanto kosa ny tapany hariva. Toy ny dihy, zomba, fihirana… Nomena sehatra indrindra tamin’ny hetsika re­hetra ny mpianatra.
Misy ny fitsipiky ny sekoly tsy maintsy narahin’ny ankizy tsirairay avy nandritra ny fankalazana. Miezaka manara-maso avokoa ny mpampianatra sy ny tomponandraikitra tsirairay avy eny anivon’ny sekoly. Fa misy ihany ireo ankizy mivoana ao anatin’ny maro. raha sanatria misy ny korontana na ny ankizy tsy manara-dalàna, ezahina ny apirindra izany mba tsy hanakorontana ny fankalazana eny anivon’ny sekoly, raha ny fanazavana hatrany.

Nisafidy andro ny sekoly sasany

Raha ho an’ny Lycée St Jean Bosco Mangasoavina manokana, omaly ihany no andro natokan’izy ireo nankalazana ny andron’ny sekoly. Maro loatra ny fahatapahana sy ny fotoana tsy fianarana eo anivon’ny sekoly ka anton’izany, raha ny fanazavan’ny talen-tsekoly eo anivon’ny lycée St Jean Bosco Mangasoavina, Ravelomanampy Donat Hervé. Eo ny fiatahana masina (recollection) ataon’ny mpianatra. Manampy izany koa ny fetin-tsekoly manokana. Nambarany fa ezahina ny hanafohezana ny fotoana tsy fianarana eny anivon’ny sekoly. Hetahetan’ny mpianatra ny hanaovana ny fankalazana mandritra ny roa andro mba hahafahana manararaotra tsara ny zavatra sy ny lahasa atao rehetra eny anivon’ny sekoly. “Lasa henjikenjika be avokoa ny zavatra atao rehetra raha tsy maintsy vitaina ao anatin’ny iray andro ny fankalazana”, hoy hatrany ireo mpianatra. Tokony hisy adihevitra sy fifanakalozan-kevitra eo amin’ny mpianatra sy ny mpampianatra koa rehefa fotoanan’ny andron’ny sekoly tahaka izao, hoy ny hafa. Tanjona ny hizarana traikefa hi­sian’ny fanabeazana misimisy kokoa ny mpianatra araka ny tokony ho izy ankoatra ny fanabeazana fototra eny anivon’ny sekoly.
Nohamafisin’ny talen-tsekoly fa somary fohy ity telovolana faharoa ity nefa tena herin’ny fampianarana ho an’ny sekoly tsirairay avy. Najanona sy hakisaka amin’ny telovolana fahatelo avokoa ny ankamaroan’ireo hetsika maro tokony hataon’izy ireo. Efa niverina toy ny mahazatra ny fampianarana ho azy ireo, nanomboka androany.

Nanatontosa : Mino

Partager sur: