Nirefodrefotra indray ny basy teny Mandrosoa Anosiala Ambohidratrimo, afakomaly. Jiolahy telo no maty rotiky ny balan’ny zandary raha tafaporitsaka kosa ireo roa lahy hafa. Basy Kalachnikov iray niaraka tamin’ny basy poleta vita tanana iray no tratra teny amin’ireo jiolahy voatifitra ireo. Teo am-piomankomanana ny hanao fanafihana tamina tokantrano iray eny Anosiala izy ireo tamin’io fotoana io. Nahazo antso haingana anefa ny zandary avy ao amin’ny vondron-tobim-paritra Ambohidratrimo ka nanakana ny asa ratsin’izy ireo. Voalazan’ ny nampita vaovao tamin’ny zandary fa mamahana basy tsy ankiato ry zalahy. Nametraka ny paikady rehetra hahafahana misambotra ireo olon-dratsy ny zandary saingy tifitra variraraka no niantefa tany amin’ireo mpitandro filaminana. Nifamaliana ny tifitra, vokany maty voatifitra ireo jiolahy telo. Maro ny fanafihana efa vitan’ireto jiolahy ireto tao Ambohidratrimo raha ny tatitra nampitain’ny zandary.
J.C