Fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny vehivavy mahaleotena. Izany indrindra no anton’ny fanohanana azy ireo ka nanokanan’ny banky iraisam-pirenena vola mitentina 180 tapitrisa dolara amin’ireo tetikasam-pampandrosoana.
Manohana ireo karazana tetikasa ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena (Men) ny banky iraisam-pirenena. Mitentina 180 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola hanatanterahana izany.
Maro ireo tetikasa mikasika ny fampahaleovantena ny vehivavy. Anisan’ny ampingam-pampandrosoana ny firenena ny fananan’ny vehivavy fahaleovantena indrindra amin’ ny ara-pivelomana.
Tafiditra amin’izany ny fandaharam-panabeazana ho an’ ny fiainana mirindra, ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy ny maha vavy, ny fiarovana ny zaza ary ny fampianarana ireo olon-dehibe.
Raha ny antontan’isa navoakan’ny banky iraisam-pirenena momba ny toeran’ny vehivavy sy ny ankizivavy eto Madagasikara tamin’ny taona 2021, ny 23,9% amin’ny vehivavy 15 ka hatramin’ny 49 taona no tsy mahay mamaky teny sy manoratra. Ny 19,5% amin’ny vehivavy kosa no misitraka fanabeazana manara-drafitra.
Tsy afaka ny hiova ary tsy afaka handroso ny firenena raha tsy eo ny vehivavy ka ilaina ny fanohanana azy ireo indrindra ny hampahaleotena azy, hoy ny minisitry ny fanaberazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle.
Marihina moa fa efa tontosa ihany koa ny tetikasa Men en chiffre mahakasika ny famolavolana ny antontan’isa eo amin’ny fanabeazana izay tanterahina isan-taona. Tanjona ny hanatsarana ny rafi-pitantanana isaky ny ambaratongan’ ny fanabeazana eo anivon’ny minisitera. Dren miisa 8 dia ny any Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Atsimo Atsinanana, Vatovavy, Fitovinany, Boeny ary Analamanga no nanatanterahana izany niaraka tamin’ny mpiara-miombon’antoka.
Tatiana A