Esther Randriamamonjy: mahaliana ny olona ny velakevitra sy ny asa sorany

Ankavitsiana sisa ny mpanoratra ao anatin’ny fandaharam-pianarana mbola velon’aina, ankehitriny. Anisan’izany i Esther Randriamamonjy. Mahazo tombony manokana ireo miatrika ny fampirantiana ataony, noho ny fahafahana mitafa mivantana aminy.

Ao anatin’ny fampirantiana ny sanganasan’i Esther Rasoloarimalala Randria­ma­monjy, ny ao amin’ ny Tranomboky Monisipaly Analakely, amin’izao fotoana izao. Hetsika nanomboka ny 23 febroary ary tsy hifarana raha tsy ny 7 marsa 2024 izany. Ankoatra ny fampirantiana, ahitana fitantarana angano sy fivarotana boky nosoratan’ity andrarezin’ny asa soratra ma­lagasy ity ihany koa eny an-toerana. Tanjon’ny hetsika ny hahafahan’ny olona, indrindra ny mpianatra, mahafantatra misimisy kokoa an’i Etsher Randriamamonjy. Ity mpanoratra ity izay tafiditra ao anatin’ny fandaharam-pianaran’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga faharoa.
Fanararaotra lehibe ho an’ny mpianatra sy ny eo anivon’ny asa soratra ny fisian’ny hetsika ho fanamarihana ny faha-67 taona nanoratan’ity mpanoratra ity. Tamin’ny andron’ny omaly, ny mpianatra avy ao amin’ny Lisea Jean Joseph Rabearivelo Analakely sy Lisea Diadema no tonga nitsidika ny hetsika. Nandra­vaka izany ny fitantarana angano sy ny tantara sahala amin’ny “Ho avy ny maraina” sy “Imaintsoanala milalao Voay” ary “Rasoa­miara­mila”, ankoatra ny fampiratiana ny asa soratra sy ny tantaram-pirenena.

Vehivavy mpanoratra misongadina
Mankalaza ny faha 91 taonany amin’ity taona 2024 ity i Esther Rasoloarimalala Randria­mamonjy. Teraka ny 11 Avrily 1933, tao Ambohi­mahasoa. Nandranto fianarana tany ivelany izy taorian’ny fianarany teto an-toerana. Fanoratana boky ho an’ny ankizy sy tanora no tena ahafantarana azy. Ankoatra izay, nandika boky tamin’ny teny frantsay sy anglisy ary rosianina ihany koa izy.

Lin

Partager sur: