Fanondranana harem-pirenena: Sokatra roa valizy sarona tetsy Tsarasaotra

Sokatra miisa 147 nokasaina hamidy nogiazan’ny zandary, teny Tsarasaotra, omaly. Ifampitadiavana ireo tompon’antoka.

Zana-tsokatra miisa 147 azon’ny zandary teny Tsarasaotra, mihazo ny lalam-baovao mampitohy an’ Ivato, omaly maraina. Na­haray loharanom-baovao avy tamin’ny tsara sitrapo ny zandary fa misy ny fikasana hivarotra sokatra teo amin’io toerana io. Nidina ifotony nanamarina ny zava-nisy izy ireo. Nitsoaka avy hatrany ireo olona nikirakira ireo sokatra ireo rehefa nahatazana ny mpitandro filaminana. Tavela ny valizy roa. Nosavaina, tratra tao anatiny ny sokatra an-jatony. “Tsy hita ny nan­dosiran’ireo olona ireo”, hoy ny lefitry ny kaomandin’ny zandarimaria eo anivon’ny Vondro-tobi-paritra Anta­nanarivo Renivohitra, Lietnà Rasoloniaina Tefy. Nentina nihazo ny biraon’ny zandary ireo sokatra ireo.
Voararan’ny lalàna
Hanokatra fanadihadiana manokana. Nantsoina ireo mpitahiry ireo biby arovana ireo. “Hampatsiahivina ny olom-pirenena, voararan’ny lalàna ny fihazonana, ny famarotana indrindra ny fihinanana ireny karazam-biby ireny”, hoy ny kaomandin’ny zandarimaria eo anivon’ny Vondro-tobi-paritra Anala­manga. Nanamafy ny tomponandraikitra eo anivon’ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovainjafy, Rajaonarisoa Livahari­manitra fa tsy azo atao ny manondrana ny sokatra. “Voafehin’ny lalàna 2005-018 izany”, hoy izy. Manoloana io tranga io, nanokatra fanadihadiana lalina momba ity raharaha ity ny zandarimaria. Na­tolotra ny tomponandraikitra misahana manokana ny fikarakarana azy ireo zana-tsokatra an-jatony ireo.

Tsiferana R.

Partager sur: