Manomana ny fidirana ao amin’ny ZLE aty amin’ny kaontinanta Afrikanina i Madagasikara. Hofaritana ireo paikady nasionaly enti-manatanteraka ny fifanarahana.
Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy ny talata teo, teny Anosy ny tetikasa PA-ZLECAF izay hamaritra sy hanohana ireo paikady nasionaly ho an’ny tombontsoa eo amin’ny fifanakalozana malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikanina. Hiandraikitra ny tetikasa ny rafi-panjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra. Hisy, araka izany, ny fanadihadiana enti-manatanteraka izany izay ataon’ny mpisehatra mpiara-miombon’antoka. Miompana amin’ny fanohanana ny famolavolana paikady nasionaly izay hanafainganana ny fanatanterahana ny ZLECAF eto Madagasikara ireo paikady manokana ireo. Hojerena ny fomba ahafahan’ny firenena sy ny vahoaka malagasy misitraka ireo tombontsoa ara-barotra ireo eo amin’ity tsena iombonana lehibe indrindra maneran-tany ity. Noho izany, hofaritana ny soro-dalana handrafetana ireo fanadihadiana momba ny tombontsoa sy ho fanamafisana ny fahaiza-manao an’ireo mpisehatra samihafa voakasiky ny tetikasa.
Sori-dalana
Fitaovana iray hametrahan’ i Madagasikara tondrozotra ilain’ny mpisehatra mahefa ny tetikasa.“Hanampy ny fahalalana ireo tombontsoa ara-barotra indrindra eo amin’ny fampandrosoana mikasika ny fanondranana ary hanampy amin’ny fankatoavana tanteraka ny fifanarahana no antom-pisian’ny PA-ZLECAF”, hoy ny mpandrindra ny tetikasa, Ramananarivo Heriniaina. Hamatsy vola izany ny banky Afrikana ho an’ny fampandrosoana (BAD). Tsiahivina fa nanao sonia ny fifanarahana ZLECAF ny volana marsa 2018 i Madagasikara saingy tsy mbola niroso tamin’ny fankatoavana tanteraka ho fampidirana izany ho isan’ny lalàna ara-barotra manan-kery eto amin’ny firenena.
Henintsoa Hani