Miatrika fivoriana any Johannesburg Afrika Atsimo, hatramin’ny anio 29 febroary, ireo rafitra mpikarakara fifidianana amin’ireo firenena miisa 18, mpikambana eo anivon’ny Sadc. Anisan’ny miatrika izany any an-toerana ny mpikambana eo anivon’ny Ceni, tarihin-dRazafimamonjy Laza. Anisan’ny hiompanan’ny fihaonana amin’izany ny torolalana eo amin’ny haitao ara-kajy mirindra sy ny tambajotran-tserasera amin’ny fiatrehana fifidianana aty Afrika. Tafiditra amin’ny fanarahana ny fivoaran’ny teknolojia maneran-tany izany. Ezahan’ ireo mpivory hapetraka amin’izany ny hijerena ny paikady hoentina manatsara ny lafiny serasera sy ny fifandraisana eo amin’ny tontolon’ ny fifidianana.
Anisan’ny miatrika izao fihaonana izao koa ireo firenena mpikambana eo anivon’ny Vondrona Afrikanina (UA) sy ny avy amin’ny rafitra rehetra mpikarakara fifidianana, toy ny Ceni aty Afrika (AAEA). Efa nanomboka ny 27 febroary teo izao fivoriana izao ho fanatsarana ny serasera momba ny fifidianana.
Tsiahivina fa hampahafantatra amin’ny mpanao gazety ny famaranana vonjimaika ny lisi-pifidianana (Rale) ny eo anivon’ny Ceni, rahampitso zoma 1 marsa izao eny amin’ ny foiben-toerany eny Alarobia. Hambara amin’izany koa ireo dingana samihafa manaraka hiatrehana ny fifidianana depiote sy ny ben’ny Tanàna.
Synèse R.