Fampiainana mivantana ireo toerana manan-tantara sy famohazana ny fitiavan-tanindrazana ho an’ny ankizy sy ny tanora ny «classe patrimoine», ho an’ny mpianatra ao anatin’ny Cisco Antananarivo-Renivohitra. Mpisera matihanina no niaraka tamin’ireo mpianatra 168 avy ao amin’ny CEG Avaradrova sy ny CEG Betsimitatatra, nitsidika ireo toerana manan-tantara nanomboka teo amin’ny zaridainan’Antaninarenina hatreny amin’ny Rovan’Antananarivo.
Midina mijery akaiky ireo ivontoeram-pikarohana ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika. Teny amin’ny centre de documentation scientifique et technique (CIDST) sy ny centre national de recherche industrielle et technologie (CNRIT) izy tamin’ity herinandro ity. Tanjona ny hanamafisana ny fanamby amin’ny hanatsarana ny fikarohana.
Natao tamin’ity herinandro ity ny famolavolana ny fankatoavana ny torolalana ho an’ny olom-pirenena mahakasika ny tolotra omen’ny kaominina Antananarivo Renivohitrra ho an’ny vahoaka. Tanjona ny hampangarahara sy hanamorana ny tolotra ilain’ny vahoakan’ Antananarivo. Ho hita amin’izany torolalana izany ny dingana arahina rehefa hikirakira antontan-taratasy.
Natao tao Taolagnaro ny atrikasa hoentina manatsara ny fitantanana ny loza sy ny tandidon-doza, niaraka amin’ny fizaran-tena nahafahana nijerena ireo mety sy ny tsy mety. Tanjona ny hanatsara ny fanomanana eo anivon’ny kaomitim-paritra sy ny distrika ary ny kaominina.