Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Kolektifa an’ny Malagasy, omaly. Hentitra ny fitakian’izy ireo. “Mitaky ny hisian’ny mangarahara izahay”, hoy izy ireo. Anisan’ izany ny tokony hamoahan’ny Ceni ny marina sy ny mangarahara ho azon’ny rehetra vakina sy arahina ny tatitra manoloana ny fanambaran’ny eo anivon’ny Vondrona Eoropeanina (UE), momba ny zotram-pifidianana.
Efa samy naneho ny fomba fijeriny ny momba ny fifidianana filoham-pirenena farany teo ireo antoko politika sy ny kandidà, niatrika izany. Nahita ny lesoka koa ireo mpanara-maso ny fifidianana avy eto an-toerana sy ny avy any ivelany. Hiroso amin’ny fifidianana depiote sy ny ben’ny Tanàna anefa isika izao, saingy tsy mbola nandray ny soso-kevitry ny UE ho fanatsarana izany ny mpitondra fanjakana. Efa natolotra ny Ceni sy ny governemanta ny fanitsiana sy ny tokony hanarenana ny fitantanana ny zotram-pifidianana.
Manoloana izany, takin’ny Kolektifa an’ny Malagasy ny hanadiovana tokotany mialoha ny hirosoana amin’ny fifidianana. Eo koa ny tokony hampahafantaran’ny Ceni ny tatitry ny UE. Mitodika aty amintsika izany ny mason’ny sehatra iraisam-pirenena amin’ny hanaovana izany na tsia. Tafiditra amin’ny fanatsarana ny zotram-pifidianana ny fanambaran’ny UE ny momba izany, tamin’ity herinandro ity. “Mbola manan-kery avokoa ireo fepetra napetrakay tamin’ny taona 2018, nefa tsy mbola nampiharina”, hoy ny eo anivon’ny UE.
Synèse R.