Lalam-piofanana vaovao : hatsangana ny toeram-panofanana miaraka amin’ny UE

Nifantoka tamin’ny fiaraha-miasa ho fampiofanana ny vehivavy ny dinika nihaonan’ ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina monina sy miasa eto Madagasikara, Isabelle Delattre, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fiofanana arakasa, Rakoton­drazafy Lalatiana. Tanjona ny hampidirana ny tovovavy sy ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny asa ahafahany mahaleo tena. Tsapa fa tsy mifanaraka ny tolotra sy ny tinady eo anivon’ny orinasa sy ny fanofanana arakasa, satria tsy mifandraika amin’ny fahaiza-manao takina eny anivon’ny orinasa ny fahaizana ananan’ny mpianatra. Hisy, araka izany, tetikasa iarahan’ny roa tonta amin’ ny fanofanana ny vehivavy tanora, momba ny sehatrasa teknika anatin’ny lalam-piofanana vaovao izay laharam-pahamehana toy ny angovo azo havaozina, ny toekarena manga, fambolena ary ny “digital” mikirakira ny «internet».
Efa voafaritra ny paikady hanatanterahana izany tetikasa izany sady efa voafaritra koa ny filan’ny fampiofanana ny tanora. Hatsangana ny toeram-piofanana mifandraika amin’ireo lalam-piofanna vaovao laharam-pahalehana ireo izay iarahana amin’ny Agence française de développement (AFD). Efa voafaritra mazava ny fanatsarana sy ny fanavaozana ny rafi-pampianarana ho an’ireo asa voafantina ary ireo fampiofanana hampitaina. Hanohana ny fanamafisana ny fahaiza-manao teknika sy pedagojika ho an’ireo mpampiofana eny anivon’ny ivontoeram-panofanana ny AUF.

Vonjy

Partager sur: