Rakotondrazafy Lalatiana : “Hajaina ny fanapahan’ny HCC”

“Hajaina amin’ny fanapahan’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), satria izay no Lalàmpa­nor­e­nana manankery ary firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara. Tsy olon-kafa ivelan’ny firenena malagasy no mandidy manapaka mom­ba ny lalàna ampiharina eto amin’ny firenentsika”. Io ny nambaran’ny mpitondra tenin’ny governemanta, ny minisitra Rakotondrazafy Lalatiana, om­aly, manoloana ny tsikeran’ ny sehatra iraisam-pirenena fa tsy manaja ny zon’olombelona ny famosirana ho fanasaziana amin’ny fehezan-dalàna fa­ma­izana amin’ny raharaha fanolanana izay nasiam-panitsiana. Ny HCC no rafitra faratampony manapaka izany: azo ampiharina rehefa teneniny hoe mifanaraka amin’ny La­làmpanorenana. Manaja tanteraka ny rafitra misy ny fitondram-panjakana, araka ny Lalàmpanorenana. Izay no lalàna mifototra mifehy. Nam­baran’ny fanapahan’ny HCC fa tsy fanaovana herisetra amin’ny olona anaovana fa­mo­sirana ny sazy, fa tsy maintsy hampanarahina fenitra ara-pitsaboana amin’ny antsipiriany ary tsy hasiana fangirifiriana amin’ny olona ampiharana azy.

R. Nd.

Partager sur: