Nitatitra ny zava-bita fony fitantanan’ny ben’ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina, ny mpanolontsaina Ravololomanana Lalatiana, omaly tetsy Besarety. Niaiky izy fa betsaka ny ezaka vita teto Antananarivo Renivohitra.
Na izany aza, nambarany fa tsy afa-po ny tenany ary na ny mponina koa aza noho ireo asa tsy mbola hatao sy ny efa an-dalam-panatanterahana amin’izao fotoana izao. “Tena nahavita be ! Nanompo ny vahoaka sy ny Tanàna, Andriantsitohaina Naina ary nivoaka am-pahamendrehana”, hoy izy. Nambarany fa niabo ny vokatra ary fametrahana ny fototra no natao tao anatin’ny efa-taona. Nanteriny anefa fa mbola eo ihany ity ben’ny Tanàna teo aloha ity amin’ny maha mpiahy ny vondrom-bahoaka azy amin’izao izy minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany izao.
Notanisainy avy eo ireo ezaka vita. Anisan’izany ny ady amin’ny kolikoly nosahanin’ny vaomiera notarihiny ka nampihena izany nefa koa nanaovany antso amin’ny Bianco ny hijerena ny momba ny fitantanana tsy mangaraharaha. “An-jatony ireo mpiasa matoatoa eo anivon’ny CUA”, hoy izy. Nampihena ny kolikoly koa ny “Digitalisation” teo amin’ny fitantanana. Anisan’ izany ny teny amin’ny tsena sy ny mpivarotra.
Toe-tsaina sy fifanajana ary fitsipika
Niaiky Ravololomanana Lalatiana fa olana hatrany ny fako ary efa misy ny ezaka atao na tsy ahitana vokatra anio aza. Eo ny fanodinana izany. Ny fiaraha-miasa amin’i Japon momba ny fitantanana ny fako sy ny eny Andralanitra. “Mitaky toetsaina sy fifanajana ary fitsipika miaraka amin’ny fandraisana andraikitry ny rehetra koa anefa izany”, hoy izy.
Notsindriny koa fa voaloa hatrany ny karaman’ny mpiasan’ny CUA na tara aza. Anisan’ny asa vita ny fampitaovana ny CUA, toy ireo fiarabe… Ny fotodrafitrasa, toy ny tsena, toeram-pidiovana, ny zaridaina, ny EPP, lalankely, ny jiro, tohodrano… “Aoka isika hankasitraka an’Andriantsitohaina Naina ary hiaro sy hijoro amin’ny asa vitany”, hoy ihany izy.
Synèse R.