Razanajatovo Raymond: « Samy hafa ny Taombaovao sy ny Alahamady »

Milaza ny heviny momba ny tokony hanavahana ny «Taom­baovao sy ny Alahamady» Razanajatovo Raymond (Pas­teur misotro ronono, mpanoratra, filohan’ny fikambanana Fa­mailahy). Araka ny fanazavana nomeny, fararano fanatanterahana santa-bokatra na santa-bary ny Alahamady». «Talo­han’ ny nahaterahan-dRalam­bo, efa nankalaza io tonon-taona io (santa-bokatra) ireo fanjakana maro madinidinika teto Imerina, Arivonimamo…», hoy Razanaja­tovo Raymond. Volana «Nisa­na» na «Abiba» no nian­tsoan-dry zareo Hebreo azy io, raha ny nambarany hatrany.
Raha ny fanazavany hatrany, ny «Taombaovao» indray ho an’ny Malagasy dia «lohan’ ny taona. Manomboka eo ho eo amin’ny volana aogositra ny fiasana ny tany (tanimbary ho an’ny vakiambiaty), fanapahana volo, fandrantsanana zavamaniry… Izany hoe, lohataom-pambolena izany ny Taombao­vao. Fito volana aloha na aori­an’ny Alahamady izy io. Ho an’ny Hebreo, volana «Tichri» no niantsoany azy ».
Raha miainga avy amin’ireo fanazavana ireo. Raha ampifandraisina amin’ny fanisanandro gregorianina. «Ny 9 avrily izao no tsinana ny Alahamady na ny volana «Nisana» (Abi­ba). Ny 3 oktobra kosa ny Taombaovao na volana «Tichri» », hoy hatrany Razanaja­tovo Raymond. Marihina fa izy no nanoratra ny «Alimanaka Famailahy Vaki­nisisaony» izay ahitana ireo vanim-potoana roa ireo ho an’ity taona 2024 ity.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: