“Tamberina satria hamerenana ny sanganasan’i Jerôme Randria. Tsiahy ho an-dRailôla koa anefa io”, hoy ny nambaran’i Thony Chriss. Mikasika ilay fampisehoana izay hotontosaina ny alahady 3 marsa izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, etsy amin’ny CCEsca Antanimena io. Hiran’i Jerôme Randria zato sy isan-jato no hotontosain’ireto mpanakanto ireto, amin’io fotoana io. Ankoatra ireo nataon’ny tarika Ny Railovy, hovelomin’izy ireo ihany koa ireo nataon-dry Vola sy Noro.
Iza ry zareo? Ireo mpanakanto niara-dalana tamin-dRailôla tamin’izany ihany no hiaraka amin’i Thony Chriss, zanany. “Ireo nandrafitra ny tarika faramparany nialohan’ny nahalasanany ireo. Misy ihany ireo mpitendry efa zoky izay hirariana hanotrona eo”, hoy hatrany ny fanazavan’ity farany.
Fanindroany ity “Tamberina sy tsiahy” ity, tohin’ny tamin’ny 10 desambra lasa teo. “Ny 5 desambra 2013 mantsy no lasa Railôla. Mbola maromaro ny hetsika kasaina hatao ho tohin’izay”, raha ny fanazavana hatrany.
Zo ny Aina