Tsy ao anatin’ny komity mpikarakara ny Taombaovao malagasy ny Zanadranavalona. Io ny fanambarana nataon’ny filohan’ity fikambanana ity, izay nilaza fa tsy anisan’ireo nakan-kevitra amin’ilay daty marimaritra iraisana tapaka, ny « Taombaovao fidiovana » ny 11 marsa sy ny ny « Fetin’ny hasim-pirenena » ny 3 septambra izy ireo.
Mikarakara fifaninanana teatraly iraisan’
ny sekoly, ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Ny 27 marsa 2024, eny amin’ny Ivokolo Analakely no hanatanterahina ny hetsika. Fahatsiarovana ny tolom-panafahana 1947, ady
amin’ny kolikoly, ady amin’ny zava-mahadomelina ary fanabeazana ara-pananahana ny lohahevitra amin’izany.
Nifarana omaly, teny amin’ny AFT Andavamamba, ny “Festival Cinema for Change”, hetsika eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika natao isarihina ny sain’ny tanora manoloana ny zava-misy ankehitriny. Nandritra izany, nisy ny fandefasana sarimihetsika fohy momba ny tanjon’ny fampandrosoana lovainjafy ho fanatrarana ny tanjon’ny hetsika
Hampiditra ny andia vaovao hofanina ho tonga mpampianatra ny Foibe fikarohana sy fampianarana “Valiha Académie”. Mahatratra 12 mianadahy no horaisina amin’izany. Amin’ny alalan’ny fifaninanana no hanatanterahina ny fifantenana. Anisan’ny mason-tsivana ny fahaizana sy fifehezana ny solfezy.