Telma coupe de Mada : Ekipa 61 hiady izay ho lohany

Hatao ny alahady 3 sy ny 10 marsa ho avy izao, ny fifanintsanana hiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra «Telma coupe de Madagascar 2024». Mahatratra 61 ireo ekipa hiady izay ho lohany amin’ity fifaninam-pirenena ity. Hanomboka izany ny lalao savaranonando ka ireo ekipa tsy niatrika izany tamin’ny taon-dasa no tsy maintsy manao izany. Tsy miditra an-tsehatra kosa ireo ekipa 16, manao ny Pureplay football league (PFL 2024), raha tsy eo amin’ny dingana ampaha-16n-dalana.
Hampiantrano ireo fihaonana savaranonando miisa 13 ireo kianja 9 dia Antananarivo, Ambositra, Mahajanga, Fianarantsoa, Antsiranana, Toamasina, Toliara, Sambava, Ambanja. Misy ireo ekipa iray ligy avy hatrany dia mihaona toy ny fihaonan’ny Zaza Mola 3 sy ny Zandry Gasy FC, avy ao Amoron’i Mania. Eo koa ny an’ny FCT RN4 sy ny Eden Sport avy ao amin’ny ligin’i Boeny. Na izany aza, misy ireo lalao andrasan’ny rehetra, toy ny fifandonan’ny FC Mailaka Bongolava sy ny FC OBA Itasy, hatao any amin’ny kianja Ambositra ny alahady 3 marsa, izao.

Tompondaka

Partager sur: