Ho fanohanana ny fametrahana ivontoerana ho an’ny vonjy taitra ho an’ny faritra Vakinankaratra, nanolotra fiara manokana fitondrana marary ny masoivohon’i Japon eto amintsika. Tafiditra amin’ny fandaharanasa fanampiana ny tetikasa eny ifotony izay mifototra amin’ny maha olona ny fampitaovana. Fiara efa nampiasaina tany Japon ireo fa nohavaozina tanteraka tany an-toerana ho azo kirakiraina indray. Ilaina ny fitaovam-pitaterana toy izao satria efa mitombo ny fifamoivoizana ho an’ny faritra ka miteraka loza samihafa. Any ambanivohitra lavitra no misy ny 90% amin’ny kaominina mandrafitra ny faritra ka tsy maintsy entina amin’ny fiara manokana ireo mila vonjy aina hamonjy tobim-pahasalamana, hoy ny lehiben’ny faritra Vakinankaratra.
Mitentina 257 tapitrisa Ar ny fiara fitondrana marary nohavaozina hatolotra ny faritra hanamorana ny fitaterana ireo marary mila vonjy aina. Tafiditra anatin’ny politikan’ny fanjakana japoney ny famerenana mampiasa ireo fitaovana taloha rehefa nohavaozina ka atolotra ny firenena mila izany.
Vonjy