Volley-CCZone 7: tafakatra manasa-dalana ny GNVB, vehivavy

Samy ho tazana amin’ny lalao manasa-dalana avokoa ny ekipan’ny GNVB, lahy sy vavy, mandritra ny fiadiana ny tompondakan’ny klioba, faritra faha-7 (CCZone 7), taranja Volley ball. Taorian’ny nahazoan’ny ekipan’ny zandarimariam-pirenena lehilahy, ny tapakilan’ny manasa-dalana ny talata lasa teo, nahazo izany ihany koa ny GNVB, vehivavy, omaly alarobia 28 febroary, teny amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena Maha­ma­sina.
Nahazo ny fandresena, teo amin’ny ampahefa-dalana, nanoloana ny ekipan’ ny City Ladies Seychelles, tamin’ny seta 3 no ho 1 (22/25, 25-10, 25-19, 25-18), izy ireo. Araka ny fandaharan-dalao, rahampitso no hanatanterahana ny manasa-dalana, ka ny ekipan’ny Saint Denis Olympique Basket ball no hifanandrina amin’ny GNVB vehivavy. Tsiahivina fa nandresy ny Tranquebar Black Maorisy, teo amin’ny lalao ampahefa-dalana, ity ekipa Renioney ity. Eo amin’ny sokajy lehilahy kosa indray, ny ekipan’ny Tampon Gecko avy ao La Réunion no miandry ny GNVB rahampitso amin’ny lalao manasa-dalana. Ekipa tompondaka tamin’ny CCZone 7 andiany farany io ekipa Renioney io.

Raha hiverenana ny lalao ampahefa-dalana natrehan’ny GNVB lehilahy, nahazo ny fandresena nanoloana ny ekipan’ny Flacon Flacq Camp-Ithier avy ao Maorisy izy ireo, ny talata lasa teo, tamin’ny seta 3 no ho 0 (25/15, 25/22, 25/16).

Mi.Raz

Partager sur: