Hamafisina ny fahafahana miatrika ny fiovan’ny tontolo iainana, sady hampihenana ny fiantraikan’ny loza voajanahary. Tafiditra ao anatin’izany ny fiarovana, ny famerenana amin’ny laoniny sy ny fitantanana maharitra ny rohy voahary. Toy ny fampihenana ny ambana voajanahary, ny rivodoza, ny tondra-drano, ny haintany, ny fihohatsahan’ny tany sy ny sisa.
Izany rehetra izany no nahatonga ny fikaonan-doha teo amin’ireo mpisehatra voakasika, ao anatin’ny fandaharanasa ECO- RRC, iarahan’ny fikambanana iraisam-pirenena WWF sy ny mpiara-miombon’antoka aminy, toy ny Birao nasionaly mitantana ny loza voajanahary (BNGRC). Nambaran’ny tomponandraikitry ny WWF Madagasikara, Rtoa Randriambola Voahirana, fa « ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny vondrona olona eny ifotony, mikasika ny tontolo an-tanety na koa ny an-dranomasina, manoloana ny ambana voajanahary.
Etsy ankilany, nanamafy izany ny tale jeneralin’ny BNGRC, ny jeneraly Elack Andriakaja, fa ilaina tokoa izao fikaonan-doha izao, entina hampitoviana ny fomba fijery ny sy tanjona tokony iarahana ho tratra. Izay no antony hametrahana ny Paikadim-pirenena hitantanana ny ambana amin’ny loza voajanahary (SNGRC), hiarahan’ny mpiara-miombon’antoka voakasika mamolavola.
Njaka A.