Nifarana omaly, teny amin’ny complexe sportif an’ny Cnaps Vontovorona, ny fiofanana sady fifaninanana “De la rue vers l’or”, taranja basikety 3×3, sokajy vehivavy latsaky ny 23 taona. “Camp des Jeunes” naharitra 3 andro narahina fifaninanana nifanandrinan’ny ekipa 21 manerana ny Nosy no nitranga, nanomboka ny zoma 16 febroary lasa teo. […]
Mois : février 2024
Aza mampidi-kizo, aza midi-kizo
Niaraha-naheno tamin’ny herinandro lasa teo ny fanambaran’ny fitondram-panjakana fa handray anjara amin’ny lalao afrikanina, hotanterahina any Ghana, ny Malagasy. Fihaonana hotanterahina ny 8 ka hatramin’ny 23 marsa ho avy izao. Nohamafisina ihany koa fa hanohana ireo atleta ny mpitondra amin’izany fihaonana an-tampony eto Afrika izany. Samy velombolo avokoa ny rehetra […]
Rallye – “African Karting Cup 2024”: Laharana fahenina Razafindratsimba Mboara
Tsy nitsanga-menatra ny Malagasy nandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, teo amin’ny karting na ny “African Karting Cup (AKC 2024)”. Tafiditra ao anatin’ny «Top 10 Africain» i Mboara teo amin’ny sokajy OK-N. Tontosa tao amin’ny Zwartkops Kart Circuit, Afrika Atsimo, ny alakamisy 15 ka hatramin’ny sabotsy 17 febroary lasa […]
Sombim-baovao
Notontosaina ny 17 febroary lasa teo, tany Soavina, ny lanonana “Gala des Champions”, taranja Motocross. Marihina fa nataon’ny federasiona malagasin’ny Moto (FMaM) ho fankasitrahana ireo mpilalao nahazo amboara tamin’ny taona 2023 lasa teo izy ity. Anisan’ireo nandrombaka izany i Mathias Plantive, tompondaka Motocross 2023. Hotanterahina rahampitso ny ampahavalon-dalan’ny “Ligue des […]
Sesam andiany faha-4 : hatao ny 10 hatramin’ny 12 mey izao
Raikitra ny andiany faha-4 amin’ny hetsika Sesam (Sports extrêmes et salon des Arts Martiaux), izay hotontosaina ny 10 hatramin’ny 12 mey izao, ao amin’ny Lapan’ ny fanatanjahantena Mahamasina. Tsy miova ny tanjona, ny hampiroborobo ny taranja “sports extrêmes” sy ny “Arts martiaux” eto Madagasikara ary indrindra ny fanabeazana ireo tanora […]