Na dia anisan’ny fialambolin’ny Malagasy fahiny aza ny hiragasy. Mbola maro ny toerana ahitana azy ankehitriny, indrindra ny eny ambanivohitra. Efa ahitana izany ihany koa ny ety an-drenivohitra , indrindra ny eto Antananarivo, taorian’ny nahavitan’ny Kianjan’ny hiragasy eo Ampefiloha. Fampisehoana atrehin’ny vahoaka, mitovitovy amin’ny teatra atao an-kira, ahitana anatra sy […]
Mois : février 2024
FANTINA sy FINTINA
Tsy miova ny hevitry ny antoko Freedom amin’ ny fanohanana ny filohan’ny Repoblika, araka ny nambaran’ny filohany, Rakotondrazafy Lalatiana, tamin’ny fifampiarahaban’ny antoko noho ny taona vaovao teny By-pass, ny faran’ny herinandro teo. Miantso izay ho kandidà manohana ny filoha Rajoelina hisian’ny fiarahana amin’ny fiatrehana ny fifidianana solombavambahoaka sy kaominaly izy. […]
Lisi-pifidianana : manana 20 andro hanamarinana ny mpifidy
Nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo ny fampiakarana eny amin’ny foiben’ny informatikan’ny distrika (CID) ny karne momba ny mpifidy nisoratra anarana eny amin’ny fokontany, araka ny fanazavan’ny eo anivon’ny Ceni amin’izao fanavaozana isan-taona ny lisi-pifidianana (Rale) izao. Avy eo, mankany amin’ny Ceni foibe hampidirana azy amin’ny fikirakirana ara-kajy mirindra. Hatramin’ny 28 febroary […]
20 taona ny gazetintsika!
“TARATRA ny anarany. Hitaratra ny zava-misy rehetra, na eo amin’ny tontolon’ny fihariana sy ny toekarena na koa ny tontolo politika. Hizara aminao ny ezaka sy ny olana mbola sedrain’ny fiarahamonina. Hitatitra ny vaovao ara-panatanjahantena sy ny alavoly. Hanolotra ny mahaliana avy any am-pita, izay tsara arahina noho ny fitsokan’ny […]
Fivorian’ny Vondrona Afrikanina : nahazo sitraka manokana i Madagasikara
Fotoan-dehibe ho an’ny mpitondra malagasy, ny fivoriambe faha-37 ho an’ny Firenena mikambana ao anatin’ny Vondrona Afrikanina. Anisan’ny nahazo sitraka manokana tamin’izany ny fitondram-panjakana malagasy. Notanterahina tany Addis Abeba, Ethiopie, ny faran’ny herinandro teo, ny fivoriambe faha-37 ho an’ny firenena mpikambana ao anatin’ny Vondrona Afrikanina. Filoham-panjakana sy filoham-pirenena maro avy eto […]