Mois : février 2024

Olona… olana

  Tsy fandriampahalemana etsy sy eroa, fihanaky ny zava-mahadomelina, fanolanana… Inona koa? O rey olona e, fiarahamonina inona loatra no iainana amin’izao? Olona avokoa no iavian’izany karazan-doza izany, olona koa no ianjerany sy mitondra faisana. Sanatria, misy ny olona mihabiby: tsy mahalala izay tokony hataony, tsy mahaavaka ny tsara sy […]

Trangana fanolanana : ho fiarovana ny zon’olombelona ny fanitsiana lalàna

Nitondra fanazavana ny minisitry ny Fitsarana momba ilay lalàna nasiam-panitsiana amin’ny famaizana ny mpanolana. Ho fiarovana ny zon’olombelona izany, araka ny nambarany. “Tsy maintsy nitondra fanitsiana ny fehezan-dalàna famaizana ny fitondram-panjakana, ka nametraka ny fanaovana fa­mosirana mba ho fiarovana koa ny zon’olombelona sy ny zon’ireo zaza iharan’izany ha­bibiana izany”. Io […]

TSELATRA

Mpandeha iray namoy ny ainy vokatry ny fivadihan’ny fiarabe iray tao Vohemar, faritra Sava,  omaly. Nifatratra tamin’ny andrin-jiro lehibe io fiara io ka nivarina tany anaty rano. Olona iray maty tsy tra-drano. Ankizilahy 14 taona lasan’ny rano tao amin’ny vinany Intendro Sahavola, Fenoarivo Atsinanana, afakomaly tamin’ny 10 ora. Nilalao rano […]

By-pass : mpitondra moto maty notetezin’ny kamiao

Maty tsy tra-drano ny mpitondra moto scooter iray teny By-pass mihazo an’Iavoloha, omaly alina tokony ho tamin’ny 8 ora. Nikasa hianatsimo ilay mpitondra moto. Nifanojo tamin’ny mpitondra bisikileta iray avy any amin’ny lalam-pirenena fahafito izy. Samy tao anatin’ny hafainganam-pandeha, niala tampoka io bisikileta nifanitsy taminy io ilay lehilahy nitaingina moto. […]

Halatra omby: dahalo roa lahy voasambotra

Saron’ny mpitandro filaminana ireo dahalo roa lahy nitam-basy nangalatra omby tao Ankililaoka, Toliara, afakomaly. Nentin’izy roa lahy ireo nandositra ny omby roa. Nifanehatra tamin’ny polisy nanao fisafoana alina ireo dahalo. Raikitra ny fisamborana. Noraisim-potsiny ny fitaovam-piadiana teny aminy sy ny bala fampiasany. Nogiazana ireo omby halatra roa ka naiditra am-balam-pamonjana. […]