Mois : février 2024

Volley-CCC Zone 7: anatin’ny fanomanana tanteraka ny GNVB

Ekipa malagasy iray handray anjara amin’ny fifaninanana « Championnat des Clubs Champions, Zone 7 » (CCC Zone 7), taranja volley ball, ny ekipan’ny Zandarimariam-pirenena, lahy sy vavy. Fifaninanana hanomboka ny 24 Febroary izao eto Madagasikara. Higado­na afaka 10 andro ny fifaninanana «Championnat des Clubs Champions, Zone 7» (CCC Zone 7), taranja volley […]

Maintirano : lavon’ny bala i Tanory

Maty voatifitry ny zandary nandritra ny sakoroka tao anaty sasak’alina ny dahalo mpangalatra omby iray. Naka omby antsokosoko tao anaty vala, nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana ny dahalo roa lahy tao amin’ny fokontany Manapape, kaominina ambanivohitra Andranovao, distrikan’i Maintirano, afakomaly alina. Nigadona tao amin’io tanàna io ireo dahalo ireo tamin’ny misasak’alina. […]

Ambohijanaka : mpamaky trano niharan’ny fitsaram-bahoaka

Voasambotry ny fokonolona ny lehilahy 18 taona mpamaky trano tao Amboniakon­dro, kaominina Ambohijanaka, afakomaly. Niditra antsokosoko tao amin’ny tokantrano iray teny an-toerana io tontakely io ka nibata ny volany sy izay ni­fanandrify taminy. Nitsai­tsaika nivoaka moramora izy nitondra ny entana halatra. Tsika­ritry ny manodidina anefa io mpangalatra io. Nifanenjehan’ ny […]

Fenoarivo Atsinanana : nanolo-tanana ireo traboina ny Tafika

Nanao izay ho afany ny Tafika malagasy, nanoloana ny fiakaran’ny rano vokatry ny rotsakorana tafahoatra tao an-tampon-tanàna Fenoarivo-Atsinanana. Nanetsika avy hatrany ny miaramila hisafo ireo trano dibo-drano ny Kaomandin’ny ZDS Pangalana, Jly Rakotoariso Andriantsoavina Henri Jocelyn. Nalaina tao amin’ny trano tamin’ny alalan’ny fampiasana vedety sy lakana ireo lasibatra. Nobabena ireo […]