“Ho fanavotana ny tanindrazana sy fikatsahana izay mahasoa ny taninjanaka no efa nitolomantsika ary mbola hitolomantsika mandraka ankehitriny”, hoy Rajaonarimampianina Hery, filoham-pirenena teo aloha. Ny tsy fanarahan-dalàna sy ny fanaparam-pahefana, ny fampahoriana ny vahoaka malagasy sy ny famotehana ny toekarem-pirenena ary ny tsy fandriam-pahalemana izay sady mamono no mandringana ny […]
Mois : février 2024
Fiatrehana fifidianana : manolo-kevitra amin’izay mila jerena maika ny Hetsika Rohy
Heverina fa ilaina maika ny fiverenana fijerena ny lalàna fehizoro lah. 2018-008 mifanaraka amin’ny fifidianana ankapobeny sy ny fitsapan-kevi-bahoaka, singanina amin’izany ireo mifandraika amin’ny fepetran’ny fangaraharan’ny fandaniana amin’ny fifidianana, araka ny fanambaran’ny Hetsika Rohy, misy fikambanana 78 nanao sonia, nampitainy tamin’ny tranonkalam-pifandraisana, omaly. Eo ny fanalalahana ny toerana iombonana amin’ny […]
Fihaonamben’ny governemanta maneran-tany: miitatra ny fiaraha-miasan’i Madagasikara amin’ny firenena vahiny
Fanararaotra lehibe ahafahana mifanakalo sy mifandray amin’ny firenena mpandray anjara aminy izao fihaonambe izao. Anisan’izany i Madagasikara, izay miezaka manamafy sy manatsara ny fifandraisany amin’ireo firenena mpiara-miasa aminy. Nisy ny fihaonana manokana teo amin’ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry, sy ny praiministra Indianina, Narendra Modi, omaly, ao anatin’ny fihaonamben’ny governemanta maneran-tany, […]
Distrikan’i Marolambo : mangataka hijanona faritra Atsinanana
Araka ny And.143 amin’ny Lalàmpanorenana, ny famoronana sy ny famaritana ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana dia tsy maintsy mifototra amin’ny fitoviana eo amin’ny toe-tany, toekarena, sosialy ary kolontsaina. “Ny distrikan’i Marolambo dia manana fifamatorana lalina amin’i Toamasina, renivohitry ny faritra Atsinanana, eo amin’ny lafiny voalaza etsy ambony ireo. Noho izany, mangataka hipetraka […]
Depiote Andriamampandry Todisoa : “Misy kajy politika ny tetiandrom-pifidianana”
“Misy ny kajy politika ataon’ny fitondrana. Maninona no amin’ny 6 novambra vao hatao ny fifidianana ben’ny Tanàna? Nefa efa tapitra tamin’ny janoary teo ny fe-potoam-piasana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny depiote Tim voafidy tao Antananarivo VI, Andriamampandry Todisoa, momba ny volavolana tetiandrom-pifidianana. Hita hoe manitsaka lalàna ny fitondrana. Eo koa ny hoe […]