Mois : février 2024

TSELATRA

Lehilahy iray tratran’ny mpitandro filaminana rehefa nangalatra aroloha an’ny mpitondra moto iray tao amin’ny fiantsonan’ny fiara anatin’ny kianja fanaovam-bolina ao By-pass, ny talata 13 febroary teo. Nentiny nandositra io fitaovana io. Voasambotra taorian’ny fikarohana azy io lehilahy io. Noviravirain’ny mpamaky fasana indray ny taolam-balo tao Ampananina, fokontany Ankadifotsy, kaominina Mahitsy, […]

Tanàna roa voatafika : fito lahy nandroba mpandraharaha voasambotra

Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy ireo jiolahy nanafika tao amin’ny tokantranon’ny mpandraharaha iray ao amin’ny fokontany Ampasinambo, kaominina ambanivohitra Lakato, distrikan’i Moramanga ny alin’ny alatsinainy teo. Nanafika tao amin’ny fokontany Ambodi­gavo ireo olon-dratsy talohan’io saingy tsy nahazo na inona na inona ka nifindra tao amin’ny toerana nisy ilay […]

Tsiadana : mpangalatra moto voasambotra

Noraisim-potsiny tamin’ny alalan’ny GPS tao anaty moto nangalariny ny lehilahy eny Ambohidepona Tsiadana, omaly. Norobain’ny olon-dratsy tao amin’ny tompony ny moto scooter iray 4 T, ny marainan’ny alatsinainy 12 febroary teo. Nikoropaka nitady io fananany io ny lasibatra sady nampandre ny mpitandro filaminana. Nanao ny paikady rehetra nikarohana ilay moto […]

Ambohitrimanjaka ; lehilahy hita faty tapa-doha

Tsy nisy loha intsony ilay lehilahy hita faty tetsy Ambohitrimanjaka, omaly. Novonoina ary natsipy tao anaty rano izy. Lehilahy iray hita faty natsingevan’ny rano tetsy Ikopa tsy lavitra ny tetezana Ambohitrimanjaka, oma­ly maraina. “Notapahan’olona nesorina hatramin’ny fotony mihitsy ny lohan’io olona io”, hoy ny fanazavan’ny Koa­madin’ny sampana mpamonjy voina. Mpanarato […]