Hiezaka ny ho eo avokoa ny mpikambana ao amin’ny tarika. Izay no fikasana amin’ny “cabaret” izay hotontosain’ny tarika Tselatra ny zoma 1 marsa izao, eny amin’ny Madagascar Espace By Pass Ambohimangakely, manomboka amin’ny 9 ora alina. Seho faramparany mialoha ny hiverenan’i Eric any ivelany izy ity, raha ny fanazavana. Efa […]
Mois : février 2024
Fandaharanasa Hay : tanjona ny hampiroboroboana sy hampivelatra ny haikanto
Mpianatra avy amin’ny sekolim-panjakana maro samihafa, avy eto Antananarivo renivohitra, no nisitraka ny fandaharanasa Hay, izay mikendry ny fampiroboroboana sy fampivelarana ny haikanto rehetra. Notanterahina omaly, teny amin’ny Fondation H Ambatomena, ny atrikasa fanenomana ho an’ny ankizy manana fahasembanana. Fiaraha-miasan’ny fikambanana Ank’ izy sy ny Fondation H ary ny fari-piadidiam-pampianarana […]
VAOVAO TAMBATRA
Hapetraka ny drafitrasa FSCPP, hitsinjovana sy hanarenana ny takaitra navelan’ny loza voajanahary sy ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny tsy fanjarian-tsakafo. Nivory tao amin’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana ireo mpisehatra rehetra, miaraka amin’ny Banky iraisam-pirenena, omaly 27 febroary. Miisa 3 000 ny zana-kazo nambolen’ny mpiasa miisa 1 050 ao amin’ny Foibem-pitondrana […]
MEAH sy ONG WHH : fanatsarana ny fitantanana ny fako
Natao sonia omaly 27 febroary ny fifanarahana fiaraha-miasa eo amin’ny minisiteran’ny Rano sy ny fanadiovana ary ny fidiovana (MEAH), notarihin’ny minisitra Ravokatra Fidiniavo, sy ny ONG Welthungerhilfe (WHH). Fifanarahana miompana amin’ny fanatsarana ny fomba fitantanana ny fako, ao anatin’ny tetikasa “Passat-4”. Tohin’ny efa nataon’ny ONG WHH nanomboka ny taona 2014 […]
Ambatolampy Tsimahafotsy : namboly hazo 1 100 ny Airtel
Manana adidy amin’ny lafiny tontolo iainana ny orinasa Airtel Madagasikara. Miisa 1 100 ny zana-kazo (acacia, kininina, frêne) nambolena teny Ambatolampy Tsimahafotsy, ny 16 febroary teo. Nambaran’ny tale jeneraly (DG), Anne Catherine Tchokonte, fa « efa fanao mahazatra isan-taona ny fambolen-kazo, hananana tontolo maitso sy ho an’i Madagasikara. Vonona isika ho […]