Mois : février 2024

Mifamono, mifameno…

  Hita sy tsapa fa mirongatra ny tsy fandriampahalemana amin’izao. Araka ny nambaran’ny filohan’ny Anteni­mierampirenena tamin’ny famaranana ny fivoriana tsy ara-potoana farany teo. Mila vahaolana mazava, haingana, mahomby… Toy izany koa ny vidim-piainana tsy mitsaha-miakatra, tsy tena voafehy. Ny fidangan’ny vidim-piainana no mampirongatra ny tsy fandriampahalemana? Ny fahantrana, ohatra, no […]

Rajoelina Andry: hihamafy ny fiaraha-miasa amin’ny firenena Arabo Mitambatra

Firenena anisan’ny fakan-tahaka ny firenena Emirats Arabe Unis, indrindra eo amin’ny lafiny fandrosoana. « Mpiara-miasa manana fahaiza-manao, tsara kalitao sy manana traikefa no miaraka amin’i Madagasikara ho amin’ny fandrosoana haingana sy maharitra », hoy ny filoham-pirenena malagasy, Rajoelina Andry. Omaly no nandray fitenenana, nanoloana ny mpandray anjara amin’ny fihaonamben’ny governemanta maneran-tany ny […]

Andravoahangy: jiolahy maty voatifitry ny polisy

Fanafihana tsy tontosa! Lavon’ny balan’ny polisy ny jiolahy iray tetsy amin’ny tsenan’ Andravoahangy, afakomaly. Telo lahy nikasa hanafika trano fivarotana nifanenjehan’ ny mpitandro filaminana teny Andravoahangy, afakomaly. Nitondra fitaovam-piadiana mahery vaika toy ny basy sy antsy ireo olon-dratsy ireo, ny atoandron’ny alatsinainy teo. Niditra amin’ny faritry ny tsena izy telo […]

TSELATRA

Mihanaka hatrany amin’ny kaominina Ambatry, distrikan’i Betioky Atsimo, ilay biby tsy fantatra mihinana biby fiompy, toy ny ondry aman’osy hatramin’ny omby. Lasibatra indray ny ondry roa, maty notsihifin’ilay biby ny rany ary loaka hatramin’ny tendan’ireo biby fiompy. Manoloana ny firongatry ny herisetra sami­hafa manerana ny Nosy, nanomboka omaly, tao amin’ny […]

Miray tendro amin’ny dahalo: Ben’ny Tanàna, maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny zandary teny am-pitsoahana tao Bemanonga, omaly, ny ben’ny Tanàna iray ao amin’ny distrikan’ i Belo sur Tsiribihina, sy ny dahalo iray namany. Voalaza fa mpiray tendro amin’ny dahalo sady mpamatsy fitaovam-piadiana izy. Tratran’ny Jamà, kara­main’ny fokonolona miasa ao Tsimafana, tao Ankaraobato, kaominina am­banivohitr’i Tsimafana ny dahalo raindahiny amin’ny […]