Vehivavy 17 taona maty natsingevan’ny rano tao Ambalavato, Manakambahiny, distrikan’Ambatondrazaka, omaly. Lasan’ny rano tao amin’ny tanànan’Andoalakana vao maraina io vehivavy io. Nifampitadiavana izy ka natsingevan’ny rano ny fatiny tany amin’ny 20 km miala ny toerana nitondran’ny rano azy. Zazamenavava hita faty nisy nanary tao Mampikony, omaly. Ahian’ny fokonolona nanatri-maso fa […]
Mois : février 2024
Miarinarivo : naiditra am-ponja ilay nanolan-jaza 16 taona
Notanana vonjimaika any am-ponja, ny lehilahy iray nanolana ankizivavy 16 taona, tao Miarinarivo, faritra Itasy, afakomaly. Naharay fitarainana ny polisy miasa ao an-toerana fa niharan’ny fanolanana nataon’io lehilahy io ny zazavavy iray, ny 23 febroary teo. Roa lahy, niditra an-keriny tao amin’ ny tokantrano fonenan’io ankizivavy io sy ny zokiny […]
RN4 : mpangalatra fiara voasambotra
Tra-tehaky ny mpitandro filaminana teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra, PK 420+200, ny lehilahy iray sy ny fiara halatra, ny 22 febroary teo. Nentin’io mpamily io ny fiara nanomboka ny 21 febroary teo. Nitsena ny zanaky ny mpampiasa azy io lehilahy io ary tsy hita intsony taorian’izay. Tsy tratra antso, izy izay […]
Fieferana : mpianatra roa lahy nilatsaham-potaka
Zaza roa lahy niara-maty tao Fieferana, omaly. Nilatsaham-potaka tampoka izy roa lahy. Maty tsy tra-drano nilatsaham-potaka ny zaza roa 6 sy 8 taona tao amin’ny kaominina Fieferana, distrika Avaradrano, omaly. Niverina avy tany amin’ny trano famanizana ireo zaza ireo. Nivatravatra ny kotro-baratra tany amin’io kaominina io, omaly. Nivoaka namonjy ny […]