Mois : février 2024

Mahaboboka – Toliara: Taksiborosy nahatrarana zanaka baobab 24 gony

Mirongatra hatrany ireo manararao-paty manimba ny ala arovana. Lehilahy iray sarona nitondra zanaka baobab tao anaty gony. Noraisim-potsiny! Sa­ron’ny zandary avy ao amin’ny zana-tobim-pa­ritra Mahaboboka ny taksiborosy iray nitondra jabohy (za­naka baobab) 24 gony, ny sabotsy teo. Tafiditra ao anatin’ireo hazo sarobidy ka mila arovana ireto karazan-kazo mampiavaka ny faritra […]

INDRAY MIJERY

Miverina mirongatra indray ny valanaretina lefakozatra, hoy ny filohan’ny fikambanana Fitia ka manentana ny rehetra hitondra ny ankizy hatao vaksiny fanefitry ny aretina izy. Maimaimpoana ny fanatanterahana ny vaksiny eny amin’ny tobim-pahasalamana rehetra manerana ny Nosy. Ny zaza latsaky ny 5 taona tsy vita vaksiny no tena marefo manoloana ny […]

Mandritra ny rotsakorana be: tokony hialana ny trano efa ahina hirodana

Tokantrano 15 ao amin’ny fokontany Avaratetezana, kaominina Ampitatafika, no traboina ka voatery mipetraka ao amin’ny toerana fandraisana traboina vonjimaika ao amin’ny FJKOMAF, noho ny fiakaran’ny ranon’i Sisaony. Nizarana vary sy tsaramaso ary menaka ho fanampiana azy ireo tokantrano 15 ahitana olona 57 izay ankizy no maro anisa. Samy nahazo vary […]

Zanak’i Toamasina : nahazo ny fitokisan’ ny Filoham-pirenena

Tanora 5 mirahalahy, zanak’i Toamasina, no voatendry amina toerana tomponandraikitra ambony eto amin’ny firenena, nandritra ny filankevitry ny minisitra farany teo. Naneho fisaorana ny fitondram-panjakana izy ireo amin’ny fametrahan’ny Filoham-pirenena fitokisana hiara-hiasa aminy hanatratra ny tanjona amin’ireo andry telo napetraka hoentina mampandro an’i Madagasikara. Anisan’izany ny tale misahana ny raharaha […]

Fikambanana mampiely Baiboly malagasy : handika ny Baiboly amin’ny teny tanana

Nomarihina, omaly, teny amin’ny fiangonana FLM Ambatovinaky, ny Alahadin’ny Baiboly miaraka amin’ny Fikambanana mampiely Baiboly malagasy (FMBM). Fotoana nahatsiarovan’ny rehetra ny fikambanana koa ny fotoana na ara-bavaka na ara-bola na amin’ny fanomezana tohana samihafa. Manana antom-pisiany efatra ny fikambanana: voalohany ny fandikana ny Soratra Masina amin’ny fiteny azon’ny olona, eo […]