Nanomboka omaly, tao Doha Qatar, ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, taranja lomano. Araka ny efa fantatra, manana solontena amin’ity fifaninanana ity i Madagasikara, ahitana an’i Tendrinavalona Idealy sy Raharvel Jonathan. Raha ny fandaharam-potoana, rahampitso talata 13 febroary no hiditra an-tsehatra i Tendry. Hanombohany izany ny sokajy 100m dos ary […]
Mois : février 2024
Fiainana klioba: manana « centre sportif » sy « école de foot » ny Mama FC
Miezaka ny ho matihanina ny klioba Mama. Amin’izao fotoana izao, manana ny fotodrafitrasa ara-panatanjahantena ho azy manokana izy ireo. Kianja ho an’ny baolina kitra sy tsipy kanetibe ary nanangana «Academie de foot » ho an’ny kilonga ihany koa. Anisan’ireo klioba manana ny «centre sportif » ho azy manokana ankehitriny ny Mama FC. […]
TARATRY ny KANTO
Nifampitaona tamin’ny mpankafy azy tetsy Ampefiloha ny tarika Ny Ainga, omaly. Korana sy lanonana ary fiaraha-misakafo no natao nandritra izany. Nampiavaka ny hetsika ny fisantarana sahady ny fankalazan’ny tarika ny jobily faha-30 niakaran’izy ireo an-tsehatra. Teo ihany koa ny fifankahitan’izy ireo tamin’ny mpankafy. Nanolotra atrikasa ara-javakanto sy ara-kolontsaina ho an’ny […]
Lalao fanorona : mampandroso ary ifotoran’ny fiainan’ny Malagasy
Tontosa tetsy Ambohidratrimo, ny faran’ny herinandro teo ny “Festival fanorona”, andiany voalohany. Hetsika nokarakarain’i Souleman Mpikabary sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy. Tanjona ny hampivoatra sy hamelo-maso indray ny kolontsaina malagasy amin’ny alalan’ny fanorona. “Mifototra amin’ny fanorona avokoa ny foto-kevitra sy ny fiainanan’ny Malagasy rehetra”, hoy i Souleman Mpikabary, nandritra ny hetsika. […]
Fehezan-tononkalo: namoaka ny “Miaina fy tia” i Tsiaro
Tsy mandalo fotsiny amin’ny mpanoratra ny volana febroary, volan’ny mpifankatia… Namoaka ny boky “Miaina fy tia” i Tsiaro, ny faran’ny herinandro teo. « … Tononkalo voafantina manokana. Natao indrindra hanamarihina ny fetin’ny mpifankatia », raha ny fanazavany no voarakitra ao amin’ity boky vaovao mirakitra fehezan-tononkalo ity. « Miaina satria iainana amin’ny andavanandron’ny olombelona […]