Mois : février 2024

Tontolon’ny Fampianarana: hilofosana ny fanatsarana ny kalitao

Hifantoka amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fanabeazana ny fanjakana. Maro ireo fifanarahana hatao hanatontosana izany. Tsy ho latsa-danja ny fampianarana ampitain-davitra. Nisongadina nandritra ny lahatenin’ny filoham-pirenena, Andry Rajo­elina, nandritra ny fitokanana ny CEG manara-penitra ao Moramanga, omaly, ny hidiran’ny fanjakana amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana eto Madagasikara. Tanjona ny hahatonga ny […]

Androndrakely: hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka

Eny amin’ny fokontany Androndrakely indray ny hetsika ara-pahasalamana manakaiky vahoaka, karakarain’ny kaominina Antananarivo Reni­vohitra, ho an’ny boriborintany faharoa, amin’io herinandro io. Ny 13 hatramin’ny 16 feb­roary no hanatanterahina iza­ny eny an-toerana. Tsy miova ny tolotra fa toy ny efa nisitrahan’ireo teny amin’ny boriborintany hafa ihany. Ankoatra ny fizaham-pa­ha­salamana amin’ny ankapobeny, […]

Boriborintany III: mpivarotra hani-masaka 200 nofanina

Miisa 200 ireo mpivarotra hani-masaka ao amin’ny boriborintany III nampianarina sy nentanina. Nisy ny fizarana “certificat d’immatriculation” maimaimpoana, tamin’ity herinandro ity. Kendrena mba ho sakafo madio sy ara-pahasalamana no hamidin’izy ireo amin’ny mpanjifa. Tanjona ny tsy hisian’ny fanapoizinana ara-tsakafo sy aretina avy amin’ny alalan’ireo mpivarotra hani-masaka. Hitohy amin’ny fanaraha-maso sy […]

Dr Ratrema Lala : Mitondra fanazavana medikaly momba ny famosirana

Lany teny anivon’ny Antenimiera roa tonta ny lalàna famaizana ny mpanolana zaza ka tafiditra ao ny famosirana amin’ny fanafody sy amin’ny alalan’ny fandidiana ireo nanao izany. Mitondra fanazavana ara-pitsaboana momba ny famosirana roa voalaza ny dokotera Ratrema Lala Andriatiana, mpitsabo manana ny DES en échographie sady mpahay lalàna. Gazety taratra […]

TARATRY ny KANTO

Oxow – Fara West Faravohitra. Hitondra ireo mpankafy any amin’ny tontolon’ny « blues rock » indray ry zalahy, anio, manomboka amin’ny 8 ora alina. Midadasikabe ny mozika lalaovin-dry Eric Rakotoary, Nali Rabarison, Titi Razakamiadana ary Andry Ramamonjisoa, mandritra izany. Ireo efa mpanaraka ny Oxow dia mahalala tsara ary tsy mety ho afapo. […]