Amperinasa tanteraka ny fitondrana tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nanao ranolava ny fitokanana zava-bita, tany an-dRenivohitry ny faritra Alaotra Mangoro, Moramanga. Nahoraka ny fety aman-danonana. Tsy nisy diso anjara fa saika ireo sampandraharaham-panjakana rehetra no nahazo ny anjarany. Ilay governora sy ny fametrahana ny faritra iray, Mangoro, sisa andrasan’ny […]
Mois : février 2024
Filoha Rajoelina Andry : “Mandroso isika, vita ny fotodrafitrasa”
Nitokana fotodrafitrasa maromaro tany Moramanga ny filoha, Rajoelina Andry, omaly. Nambarany fa vonona hampandroso ny firenena ny tenany. Notsiahiviny fa anisan’ny nahazoany fandresena amin’ny taha 70% tamin’ny fifidianana filoham-pirenena ny tany an-toerana. Nankasitrahany ny vahoaka tamin’izany ary nambarany fa nankinina tamin’Andriamanitra iny fifidianana iny. Tanteraka izany rehefa nankinina taminy ny […]
TSELATRA
Nitondra fanazavana ny teo anivon’ny fitandroana ny filaminana momba ny hetsika « Opération Harato II ». Nisy ny vokatra hatramin’ny volana janoary teo. Ankoatra ireo olona 24 voarohirohy ho tompon’antoka tamin’ny famonoana ny ben’ny Tanànan’Andranomiely, olona efatra hafa andalam-pisamborana satria ahina ho tompon’antoka tamin’ny vono koa. Olona nandeha lakana vao maraina no […]
Toliara : tratra ireo efa-dahy mpangalatra voamaso
Efatra mirahalahy mpangalatra voamaso, ao amin’ny fokontany Antaravay salimo, kaominina ambanivohitr’i Toliara, voasambotry ny zandary, omaly. Renim-pianakaviana manodidina ny 30 taona hita faty tsy nisy voamaso intsony tao amin’io fokontany io, ny 1 febroary teo. Notsatotsatohan’ireo tsivahalara antsy io ramatoa io. Nokendain’ireo olon-dratsy izy ary nalana teo aminy ny voamaso […]
Toamasina : mpangalatra fiara voasambotra
Tratran’ny mpitandro filaminana teo anelanelan’i Savalaina sy Ambalarondra, RN2, ny lehilahy iray nangalatra taksiborosy, tao Toamasina, afakomaly. Nipetraka teo amin’ny fiantsonan’ny taksiborosy tao amin’ny « Gare routière » io fiara io, ny alarobia 7 febroary teo. Nosokafan’ny jiolahy ny varavarana ka lasany io fiara io. Niverina hiditra ao anatiny ny mpamily saingy […]