Miisa 10 ny tetikasa ho henjehin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo (MEH) ato anatin’ny 100 andro, fetr’andro napetraky ny filoham-pirenena. Anisan’izany ny fananganana toby mamokatra herinaratra, indrindra ny avy amin’ny masoandro. Tetikasa maro no tanterahin’ny minisiteran’ny Angovo sy ny akoranafo, izay efa natomboka sady tohizana. Nampidirina ao anatin’ny fe-potoana 100 andro […]
Mois : février 2024
Governora faritra Analamanga : “Olona diso lalana izay mitaona fitokonambe”
“Tena diso lalana ireo”, hoy ny fanehoan-kevitry filoha nasionalin’ny antoko TGV, faritany Antananarivo, sady governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, teny Antaninarenina, omaly, ny amin’ny Antenimieran’ny raiamandreny foko malagasy (ARFM), izay milaza hitarika vahoaka amin’ny fitokonana faobe ho amin’ny fitondrana Tetezamita hananganana fanjakana tena malagasy. Tsy fidinana an-dalambe na fitokonambe na fananganana […]
Fitaterana Ambohidratrimo-Vassacos : mamaha ny olan’ny mponina ny fisian’ny kaoperativa vaovao
Tsy nanaiky ny fandaminana. Nitokona ny mpitatitra taxi-be eny Ambohidratrimo, omaly. Noho ny fisian’ny kaoperativa vaovao ny anton’ny fitokonana. Nanao fitokonana ny taxi-be mampitohy an’Alakamisy-Vassacos, omaly, rehefa tsy nanaiky ny fampidirana ny kaoperativa hafa miainga eo Ambohidratrimo. Nanazava ny ben’ny Tanànan’Ambohidratrimo, Raherimanantsoa Feno, fa nisy fangatahana nataon’ny kaominina tamin’ny taona 2020-2021 mahakasika ny hiasan’ny kaoperativa […]
Vokatry ny rotsakorana : trano roa nirodana tao Mandrosoa Ivato
Tsy nitsahatra ny rotsakorana tato anatin’ny herinandro izay. Nitarika fahavoazana maro teo amin’ny fotodrafitrasa sy ny mponina izany, indrindra ireo manamorona ny renirano. Vokany, trano roa nirodana tao amin’ny fokontany Mandrosoa Ivato, distrikan’Ambohidratrimo, omaly hariva. Tsy nisy ny aina nafoy, raha ny zava-misy. nandritra izany, nafindra toerana avy hatrany ao […]
INDRAY MIJERY
Ho fampandrosoana ny zotram-pitateram-bahoaka ao amin’ny kaominina Soavina (Atsimondrano), hidinika miaraka ny mpitatitra sy ny mpitantana ny kaominina hametrahana ny lamina vaovao, anio, ao amin’ ny biraon’ny kaominina. Nanasa ny solontenan’ny mpanjifa ihany koa ny kaominina hanatrika ny fihaonana. Foana ny filazana loza manambana ho an’ny fahabetsahan’ny rano amin’ny lemak’Antananarivo, […]