15 ny EPP (EPP Andavamamba, Anosipatrana, Analakely, Amboditsiry…) ato anatin’ny Cisco Antananarivo Renivohitra tokony ho nohavaozin’ny orinasa Canal 7. Tafiditra anatin’ny fifanarahana fiaraha-miasa natao sonia ny volana septambra 2016 miaraka amin’ny minisiteran’ ny Fanabeazam-pirenena. Io ny fanazavan’ny minisiteran’ ny Fanabeazam-pirenena, omaly. Tsy niroso tamin’ny fanatsarana ireo fotodrafitrasa ireo anefa ny […]
Mois : février 2024
Analamanga: hitohy ny orana
Hitohy hatrany ny orana, indrindra any amin’ny tapany avaratry ny Nosy, ato anatin’ny telo andro manaraka. Mety hahatratra 40 hatramin’ny 90 mm ao anatin’ny 24 ora any amin’ny faritra sasany. Nandefa filazana fampitandremana momba ny habetsahan’ny rotsakorana ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Nanan-kery omaly ho an’ny faritra […]
Fifehezana ny fako: ho mafy ny sazy sy ny lamandy ho an’izay mandika lalàna
Tsy hilefitra amin’ny fanasaziana izay mihoa-pefy amin’ny fifehezana ny fako ny faritra Analamanga. Hihahenjana ny sazy sy ny lamandy. Giazana avy hatrany ireo kamiao mbola tratra manary fako amin’ny toerana tsy tokony hanaovana izany. Hentitra ny governoran’Analamanga, Rasoamaromaka Hery, nandritra ny fambolen-kazo notanterahina teny Analamanga Park, omaly. Mandoa lamandy faran’izay […]
TARATRY ny KANTO
Tselonina sy Fara Gloum – Piment Café. Fotoana handrasan’ireo mpankafy hatrany ny fiarahan’ireto mpanakanto ireto, ao amin’ity toerana ity. Hotontosaina anio izany, manomboka amin’ny 9 ora alina. Hamerina indray ireo hiran’ny taona 80 sy 90, nahafantarana an’Ingahibe, izay mbola matsiro kokoa miaraka amin’i Fara Gloum izy ireo. Njara Marcel-Le Glacier. […]
Madagaslam: Antenaina ny hisian’ny fifaninanana nasionaly
Hetsika maro samihafa eo amin’ny tontolon’ny « Slam » no hotanterahina, anio sy rahampitso, eny anivon’ireo ivontoeran’ny kolontsaina. Anisan’ny ho hita amin’izany ny seho an-tsehatra, misokatra ho an’ny rehetra, eo koa ireo atrikasa. Na dia maro isan-karazany aza ny hetsika, tanjona ny hampivoarana sy hampandrosoana ny tontolon’ny “Slam” eto Madagasikara. Eo ihany […]