Mois : février 2024

Misaona ny Rock malagasy: nodimandry i Andry Balafomanga

Mbola tsy afa-tsaona tamin’ny nahalasanan’i Delacre akory… Lasa omaly indray i Andry Balafomanga, anisan’ireo andrin’ny rock’n Roll teto Madagasikara. Toy ny vara-datsaka ny vaovao omaly! Nodi­ma­ndry i Andry Balafo­ma­nga… “Vao maraimbe no tsy salama tampoka izy ka nentina hopitaly. Tsy tana anefa ny ainy tonga tany”, hoy ny nampitain’ny fianakavian-dRakoto­zandry […]

Edouard Rajaona: 50 taona teo amin’ny sehatry ny kanto

Tanterahina ny 10 febroary 2024 hatramin’ny 24 feb­roary 2024, eny amin’ny Alliance française d’Antana­narivo (AFT) Andavamamba, ny fampirantiana «Edouard Rajaona, 50 ans de peinture». Fampirantiana ahitana ny hosodokon’i Edouard Raja­ona, anisan’ny oloben’ny hosodoko malagasy. Natao izany ho fanomezam-boninahitra ity Malagasy mpanao hosodoko ity sy ho fankalazana ny faha-50 taona niseharany […]

“Tamberina sy tsiahy”: hisy seho hahatsiarovana an-dRailôla

Nahafantarana azy hatramin’ny fotoana nandehanany ny “Tsiaro an’i Jerôme Randria”… Anjaran-dRailôla indray izao no hanokanan’ny zanany sy ireo indray nihira taminy fotoana manokana. Hotontosaina ny alahady 3 marsa izao, etsy amin’ny CCEsca Antanimena, ma­nomboka amin’ny 3 ora tolakandro, ny fahatsiarovana an-tsehatra an’ity mpanakanto ity. “Tamberina sy tsiahy”, toy ny anaran’ireo […]

Ny maha Malagasy: mila maka fototra vao mandroso

Raha ny filaharana navoakan’ny sehatra iraisam-pirenena, tsy ahatazanana loatra izany atao hoe « fandrosoana » izany ny sehatra tsirairay eto Madagasikara. Osa, malemy, marefo, farany, gisitra… Hisokajiana ity Nosy ity avokoa ireo. Misy antony mahatonga io tsy fandrosoana io. Tsy manaiky gisitra ! Araka ny mari-pandrefesana iraisam-pirenena, laharana faramparany maneran-tany i Madagasikara, raha […]

SOMBIM-BAOVAO

Notoloran’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena baolina kitra sy basikety ary “maillots”, ireo tanora mpanao fanatanjahantena ao amin’ny distrikan’i Mahabo. Nahazo solosaina sy imprimante ary “box internet” ihany koa ny CEG ao an-toerana. Marihina fa miezaka hampivoatra ny tanora eto amintsika ny MJS. Misokatra ny fisoratana anarana ho an’ny fifaninanana […]