Mois : février 2024

“Pureplay Foot-ball League”: hanomboka rahampitso ny fifaninanana

Hotanterahina manomboka amin’ny faran’ny herinandro ho avy io ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)”, taranja baolina kitra. Mialoha izany, nisy, omaly, ny fivoriana nataon’ny fikambanana CFEM, izay tarihin-dRakotoarimanana Henintsoa na i Tôta, filohan’ny CFEM, teny Andoharanofotsy. Niresaka mahakasika ny fifindran’ireo mpilalao sy ny fanolorana ny baolina izay holalaovina mandritra ny […]

Kick Boxing: hivondrona ny ekipa nasionaly

Eo am-panomanana fifaninanana iraisam-pirenena, izay hatao ny 31 marsa izao, ny taranja kick boxing malagasy. Hahafahana miatrika izany, ao anatin’ny fepetra tsara, hiatrika fampivondronana ireo mpikatroka mandrafitra ny ekipa nasionaly malagasy. Manomboka ny 10 febroary izao, ao amin’ny RKC Ivandry, izany fampivondronana izany, araka ny fampitam-baovao nataon’ny Tale teknika nasionaly […]

Tenisy – “J200 Cairo”: tafita amin’ny manasa-dalana i Mitia Voavy

Mitohy hatrany ny lalan’ny solontenan’i Madagasikara amin’ny fifaninanana “J200 Cairo”, amin’ny lalao ho an’olon-tokana, sokajy vehivavy. Anisan’ireo efatra voalohany amin’ity fifanintsanana ity i Voavy Mitia. Notanterahina omaly ny lalao ampahefa-dalan’ ny fifaninanana “J200 Cairo”, taranja tenisy, sokajy “junior”, lahy sy vavy, izay hatao any le Caire Egypte. Tafakatra amin’ ny […]

Solohoho : manome endrika ny tanana nefa manimba fahasalamana ihany koa

Lasa lamaody an­kehitriny ny fana­ovana solohoho na “faux ongles”. Manome endrika ny tanana ary te­na manintona ny ankamaroan’ny vehivavy. Misy iha­ny koa ny loza ara-pahasalamana azo avy amin’ny fampiasana azy, noho ireo akora ampiasaina aminy. Nalaza tamin’ny taonjato faha-20 ny solohoho. Niseho tany Etazonia izy io taorian’ny ady lehibe faharoa. […]

FANTINA sy FINTINA

Hitsidika ny distrikan’i Moramanga, faritra Alaotra Mangoro, ny filoha Rajoelina, anio. Hoto­kanana amin’izany ny Sekoly ambaratonga fototra faharoa, ny ivontoerana ho an’ny olona manana fahasembanana sy ny zokiolona, ny tranoben’ny serasera sy ny kolontsaina, ny kianja manara-penitra, ny tetezana Mangoro izay vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny governemanta japoney. Tsy hisokatra ny […]