Anisan’ireo hiatrika ny fihaonana an-tampony “Forum diplomatique d’Antalya”, hatao any Torkia ny filoha Rajoelina Andry. Hotanterahina manomboka ny 1 marsa izao hatramin’ny 4 marsa izany. Anisan’ny mikarakara sy manomana izany ny eo anivon’ny governemanta Tiorka ary tafiditra amin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ny lafiny diplaomatika amin’ireo firenena afrikana. Maherin’ny […]
Mois : février 2024
INDRAY MIJERY
Fampiainana mivantana ireo toerana manan-tantara sy famohazana ny fitiavan-tanindrazana ho an’ny ankizy sy ny tanora ny «classe patrimoine», ho an’ny mpianatra ao anatin’ny Cisco Antananarivo-Renivohitra. Mpisera matihanina no niaraka tamin’ireo mpianatra 168 avy ao amin’ny CEG Avaradrova sy ny CEG Betsimitatatra, nitsidika ireo toerana manan-tantara nanomboka teo amin’ny zaridainan’Antaninarenina hatreny […]
Lalam-piofanana vaovao : hatsangana ny toeram-panofanana miaraka amin’ny UE
Nifantoka tamin’ny fiaraha-miasa ho fampiofanana ny vehivavy ny dinika nihaonan’ ny masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina monina sy miasa eto Madagasikara, Isabelle Delattre, ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fiofanana arakasa, Rakotondrazafy Lalatiana. Tanjona ny hampidirana ny tovovavy sy ny vehivavy eo amin’ny sehatry ny asa ahafahany mahaleo tena. Tsapa fa […]
Vakinankaratra : nahazo fiara fitondrana marary
Ho fanohanana ny fametrahana ivontoerana ho an’ny vonjy taitra ho an’ny faritra Vakinankaratra, nanolotra fiara manokana fitondrana marary ny masoivohon’i Japon eto amintsika. Tafiditra amin’ny fandaharanasa fanampiana ny tetikasa eny ifotony izay mifototra amin’ny maha olona ny fampitaovana. Fiara efa nampiasaina tany Japon ireo fa nohavaozina tanteraka tany an-toerana ho […]
Banky iraisam-pirenena-Men : 180 tapitrisa dolara ho an’ny fampahaleovantena ny vehivavy
Fanoitra ho an’ny fampandrosoana ny vehivavy mahaleotena. Izany indrindra no anton’ny fanohanana azy ireo ka nanokanan’ny banky iraisam-pirenena vola mitentina 180 tapitrisa dolara amin’ireo tetikasam-pampandrosoana. Manohana ireo karazana tetikasa ao amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena (Men) ny banky iraisam-pirenena. Mitentina 180 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola hanatanterahana izany. Maro ireo tetikasa mikasika ny […]