Mois : février 2024

Lavabaton’i Sarodrano: miroborobo ny fizahantany

Tsy maintsy miatrika ny fiovan’ny toetr’andro ny toerana samihafa rehetra. Manana ny fomba hiatrehany izany ny mponina any Sarodrano, kaominina St-Augustin, distrika Toliara II, faritra Atsimo Andre­fana. Mivelona amin’ny sehatry ny jono an-dranomasina sy ny fiompiana lomotra (algue) ary ny fizahantany ny mponina. Nilaza Rtoa Francine, vadina mpanjono, sady mpivarotra […]

Fandraisana ny « volantany »: manaiky ny famindrana ny fasana ireo tompon-tany

Nahafaly ny mponina any amin’ny faritra Atsimo Andre­fana ny filazan’ny fanjakana, farany teo, fa ho maro ny tetikasa mahakasika ny harena an-kibon’ny tany eto Madaga­sikara. Manantena ny hiverenan’ny tetikasa Base Toliara ny any an-toerana. Anisan’ny miandry izany koa ny Vao­miera misahana ny famindran-toerana ara-dalàna na « Re­settlement working group » RWG ao […]

Fananan-tany: Tokony hanana sata mifehy azy ny kijana

Nohavaozina ny taona 2005 ny lalàna mahakasika ny fananan-tany. Zava-baovao amin’izany ny fametrahana ny karatany, omen’ny kaominina, manampy ny titra. Nanamarika anefa ny ao amin’ny Sehatra iombonan’ny fananan-tany (Sif), fa na eo aza ny lalàna, tokony hojerena mihitsy ny lafiny zava-misy sy ny rafitry ny fiarahamonina. Anisan’izany ny tokony hanomezana […]

Fanaovan-gazety: fiofanana mahakasika ny fiovan’ny toetr’ andro, ny fananan-tany ary ny miralenta

Natao ny 20 hatramin’ny 23 febroary 2024 teo, tany Toliara, ny fiofanana ho an’ny mpanao gazety avy any amin’ny faritra valo. Nifantohana ny fifandraisan’ny fiovan’ny toetr’andro, ny fananan-tany ary ny miralenta. Nisy ny fizarana traikefa sy ny fampiharana avy hatrany. Mifandray amin’ny fiovan’ny toetr’andro daholo, ankehitriny, ny lafin-javatra rehetra. Izay […]

VAOVAO TAMBATRA

Hihena ho 30 000 t ny famokarana Nikela ao Ambatovy, amin’ity taona ity, raha toa ka 40 000 t izany ny taona lasa teo, hoy ny Sumitomo. Marihina fa tsy mitsaha-mitotongana ny vidin’ny Nikela sy Kobalta eo amin’ny tsena iraisam-pirenena. Manana efatr’andro ny minisitry ny Fampiro­bo­ro­boana ny indostria, ny varotra sy ny […]